Avelao izy hiazakazaka… 🏃♂️
Efa nahita “Hyène” ve ianao ? Tsy mba anisan’ny biby izay mahafinaritra ny mifanatrika aminy…
Mahatsiaro horonantsary iray izay nojereko tamin’ny mbola zaza izay aho. Tantaran’ankizy anakiroa izay very, tany amina tanàna afrikanina iray izay. Soa ihany fa nampianatra azy ireo ny rainy hoe, raha sendra mifanena amin’ny “Hyène”, dia mila mametaka izay zavatra itany na inona na inona izany eo amin’ny lohany izy ireo, amin’izay dia manana loha miendrika lehibe kokoa. Amin’izay ihany koa, ny “hyène” dia hatahotra ary handositra. Ny fotoana nampihomehy indrindra tao anatin’ny tantara dia rehefa ny iray tamin’ireo ankizy ireo nanongotra odi-kazo ary nametaka izany teo amin’ny lohany. Dia tena nety tokoa moa izany, saingy tapaka nizara roa tampoka ilay odi-kazo. Tamin’izay fotoana izay dia nandositra sisa no azony natao !
Ny Baiboly milaza hoe : “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo” (1 Petera 5:8-9).
Ry namako, tsy mila miseho hoe tena lehibe, na tena mafy be noho izao ianao, manoloana io “liona” io. Tsy mila mandositra akory ianao, afaka mihatrika io fahavalo io ianao amin’ny finoana, ary manohitra azy androany amin’izao maha ianao anao izao.
Araka ny voalazan’i Jakoba 4:7, “Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” Ny finoanao no mampandositra ny devoly !
Ry namako, manomboka tonony ny teny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, dia ario amin’ny finoana ireny tahotra sy lainga izay tian’ny devoly inoanao ireny. Mihoatra noho ny mpandresy ianao ao amin’i Jesosy !