Am-pelatanany ny ho avinao rehetra !
“Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany. Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin’ny tanin’i Jordana sy amin’ireo Hermona ary amin’ny tendrombohitra Mizara.” (Vakio ny Salamo 42.5-6)
Aiza ianao?
Izany no fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamin’i Adama, rehefa avy nihinana ilay voankazo voarara izy sy Eva. Voalohany teo amin’ny fiainan’izy ireo ny niereny an’Andriamanitra. Natahotra izy ireo.
Ry namako, aiza ho aiza ianao amin’izao ? Ao anatin’ny fiainanao, ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ? Miseho eo anatrehan’Andriamanitra ve ianao sa miery Azy ?
Izao no mety navalin’i Davida izany fanontaniana izany : “Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita* ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ny ranomasina, dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ny tananao ankavanana.” (Vakio ny Salamo 139.7-10)
Tsy afaka andosirana Andriamanitra… Raha ny izy aza dia zava-dehibe ny hitomboana anatin’ny fahalalana sy ny fanatonana Azy. Fantany ny zavatra rehetra.
Apetrak’Andriamanitra amin’ny fiainanao androany ny tànany voatahy, mangana, voatsatoka. Mahatsiaro anao Izy ary maniry ny ahatonga saina anao ny amin’ny toerana misy anao amin’izao Izy. Fantany tsara ny nisy an’i Adama sy Eva. Tahaka izay ihany koa dia fantany ny misy anao amin’izao. Amin’izay Izy dia afaka mitondra anao amin’izay tokony alehanao…! Raha toa ianao ka mahalala ny misy anao amin’izao, Izy kosa dia mahalala izay hisy anao.
Toa izany no nandehanan’i Abrahama nefa tsy nahafantarany akory izay halehany fa dia natoky an’Andriamanitra Izay nahalala : “Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany..” (Vakio ny Hebreo 11.8)
Ry namako, aza kivy raha toa ka tsy voafehinao ny ampitso. Ny Tompo mahalala ny zavatra rehetra ary mitantana ny zavatra rehetra. Omeo Azy ny fahatokinao rehetra androany…!
Andao hiara-hivavaka : “Andriamanitro ô, ny androko rehetra dia am-pelatànanao. Misaotra satria mikarakara ahy amin’ny halemem-panahy sy fitiavana isan’andro Ianao. Tsy te-hijery izay manakivy na manorisory ahy intsony aho fa te-hahatsiaro kosa izay rehetra nataonao sy izay mbola ataonao hatrany. Misaotra satria an-dàlana mankany amin’ilay anjara nomaninao ho ahy Aho. Misaotra amin’ny fahatanterahan’ilay planinao tonga lafatra amin’ny fiainako. Amin’ny anaran’i Jesosy, amena.”