Afa-po amin’ny lalam-piainanao ve ianao ?
Isika tsirairay dia samy manana ny fahamarinantsika izay tena samihafa, ary Andriamanitra miasa amin’ny fiainantsika amin’ny fomba manokana araky ny tsirairay.
Resy lahatra aho fa ny lalam-piainanao dia tsy mitovy amin’ny ny ahy , ary mety ho tena hafa mihitsy. Fa manana ilay iray izay iombonantsika isika : Jesosy Kristy.
Tonga Izy hiaona amintsika eo amin’izay toerana misy antsika, ary nanao zava-mahagaga teo amin’ny fiainantsika.
Tsaroako tamin’ny voalohany, nanana fahazarana nieritreritra ireny fijoroana vavolombelon’olona izay efa novain’Andriamanitra tena mandona ireny aho, amin’ny fomba mahatalanjona, nefa tena olona nitoetra tao anatin’ny haizina.
Rehefa nihaino ireny aho, dia noheveriko fa tsy dia manan-danja ny fijoroana vavolombelona momba ny fiovako nanara-dia Azy ary mety tsy misy dikany mihitsy. Amin’ny lafiny iray, mba naniry hanana tantara tena matanjaka toy ny an’izy ireny koa aho mba ho tantaraina : nahita anjely, na hoe afaka tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny gejan’ny fahafatesana, na hoe zavatra izay “tena mahavariana” =).
Kanefa fotoana fohy monja tao aorian’izay, dia nanomboka tonga saina tamin’ny zavatra iray aho : manana lalam-piainana samihafa avy isika, fanomezam-pahasoavana samihafa, tantara samihafa… ary ny fomba fiasan’Andriamanitra amintsika tsirairay dia tena sarobidy !
Nijanona tsikelikely ny fahadisoam-panantenako tamin’ny tsy mba nananako fijoroana vavolombelona “miavaka”. Ary tsapako hoe tena sarobidy teo imasoko ny tantaram-piainako, ary indrindra, ny fijoroako vavolombelona dia mety ho loharanon’aingam-panahy ho an’olona maro efa nandalo toe-javatra toy izay niainako. Ny fijoroako vavolombelona dia mafonja amin’ny fahamarinany !=)
Nahatsapa fahafaham-po tamin’ny fiainako aho, izay nitarika ahy mba ho afaka amin’ny fampitahana rehetra, mba ahafahana manome lanja izay efa nomen’Andriamanitra ahy.
Hoy ny Baiboly: “Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany” (Ohabolana 14:14)
Ry namako, te hanao zava-mahagaga amin’ny fiainanao Andriamanitra !
Tsy mila mitsiriritra na manantena mba hitovy amin’ny hafa ianao : tian’Andriamanitra mba ho afa-po amin’ny lalana izay nodiavinao ianao ary hanana fahamatorana amin’ny fitadiavana Azy isan’andro.
Resy lahatra aho fa hahakasika olona maro amin’ny alalan’ny fiainanao Andriamanitra, toy izay efa nataony tamin’ny fiainako.