đź«‚ Tsia, aza miady irery!
Nahatsikaritra angamba ianao hoe tsy misalasala aho mitantara ny fiainako, ry namako, fa amin’izao isika miteny izao dia manana lohahevitra am-bavaka aho izay tsy mbola azoko resahina. Amin’ny ankapobeny dia tetikasa iray hanampy olona maro izany…
Aman-taonany maro no nitondrako izany am-bavaka. Niady aho. Betsaka, tena betsaka ny ranomasoko latsaka, hany ka nitady hilavo lefona aho efa impiry izay, kanefa dia nikiry nanohy ny lalako ihany aho, ka tonga amin’ilay fahagagana nantenaiko ihany… vao haingana !
Izay aloha no noeritreretiko… hatramin’ny andro nandraisako antso an-tariby iray izay nampivarina ahy hihemotra tanteraka. Toa nivadika ilay fahagagana… ka izany no nahatonga ahy tafalatsaka tao anaty fahakiviana !
Ankehitriny ? Voatery hamerina hatramim-boalohany ve aho ? Hanohy ilay ady ? Na koa hianatra ny hatoky indray ? “Andriamanitro ô, tsy vitako intsony ! Toa mora kokoa ny milavo lefona !”
Ry namako, mitady hanaiky ho resy ve ianao anio ? Ny fiainam-pitiavanao izay nilamina tsara fahiny, misavoritaka ve izy izao ? Na koa ilay homamiadana… izay toa efa azo tsaboina, toa miverina sady miharatsy indray ? Voatery hiatrika ady indray ve ? Hitomany indray ? Hianatra ny hatoky indray ?
Ry namako, nifampizara izay fihetseham-poko tamin’ny namako aho, sady notantaraiko azy ireo ny ady izay natrehiko irery nandritry ny taona maro dia maro !
Tsy nanao teny fitserana ahy izy ireo, fa kosa nampahery ahy tamin’izao teny manaraka izao : “Matokia an’i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.” (Salamo 37:3)
Ry namako, ny milavo lefona, mandositra, manotrika ny loha anaty fasika, toa mora kokoa daholo izany, kanefa raha ny marina, tsy manova na inona na inona akory !
Ny nanatonako ny namako, ny nanokafako ny foko tamin’izy ireo, ny niresahanay sy ny niarahanay mivavaka dia nanome hery vaovao ho ahy indray. Ry namako, izao no mahatonga ahy hamporisika anao anio :
Sokafy ny fonao – miresaha ary miaraha mivavaka amin’ny namanao. “Mitoera eo an-tanana” – na dia midika aza izany hoe miatrika ady vaovao, manĂ na finoana ary mahareta ! Hiditra an-tsehatra Andriamanitra !
Raha toa ka mampiandry ny Fahagagana, miandrasa ny Andriamanitrao !