🪴Ny finoanao no mamaritra ny vokatra!
Omaly dia niresaka momba ny fotoana iray nahafinaritra indrindra tao amin’ity tantara izay ifotorantsika ity isika, rehefa nanomboka nandeha teny ambonin’ny rano i Petera.
Voasoratra hoe: “Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely i Petera ka nandeha teo ambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy. Rehefa hitany fa nahery ny rivotra dia natahotra izy, ary raha nanomboka nilentika izy dia niantsoantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!” (Matio 14:29-30)
Hitanao ve ny fahagagana lehibe nitranga? Tao am-pon’i Petera no nitranga voalohany io fahagagana io, rehefa nino ny tenin’i Jesosy izy izay nilaza taminy hoe: “Manatona! ” Izany teny izany no nampisy finoana tao am-pony, ka nahatonga azy hanana herim-po hivoaka ny sambo, na dia teo aza ny tafiotra.
Io finoana io ihany no nahatonga ny fahagagana faharoa: ny nahafahan’i Petera nandeha teny ambonin’ny rano.
Toy izany mihitsy no fiasan’ny Fanjakan’Andriamanitra : mino ao am-pontsika isika aloha, ary io finoana io no manokatra ny là lana ahafahantsika miaina ireo fahagagana avy amin’Andriamanitra.
Nefa, nanao hadisoana i Petera, toy ny ataontsika indraindray rehefa injay miraviravy tanana isika : niverina nieritreritra ny tafiotra indray izy.
Teo no niova ny zava-drehetra. Nivadika ho tahotra ilay finoana. Vokany? Lasa tsy azo natokisana indray ilay rano izay tahaka ny tany maina teo, ary nanomboka nilentika i Petera.
Mahatalanjona e? Ny finoany no nanova ny zava-nitranga. Rehefa nino izy ka nanaraka ny tenin’Andriamanitra, dia nandeha teny ambonin’ny rano tsy nisy olana. Fa rehefa navelany hiditra ny tahotra, dia lasa toy ny olon-tsotra indray izy, ka niaina ny vokatr’izany: nanomboka nilentika.
Ry namako, aza avela hanova ny finoanao ny zava-mitranga eo amin’ny fiainanao! Ny fomba tokana ahafahanao mandeha ambonin’ny rano tsy tapaka sy miaina ny fahagagana avy amin’Andriamanitra dia ny mibanjina an’i Jesosy Kristy hatrany.
Aza manaiky ho voafitaky ny fisehoan’ny tafiotra: efa nandresy i Jesosy, ary manana fahefana amin’izay rehetra mety hahazo anao Izy. Tohizo ny dianao amin’ny finoana, ary reseo amin’ny vavaka ny tahotrao!