🪞 Ianao no endrik’Andriamanitra ety an-tany !
Maro be ny olona, eto amin’izao tontolo izao, izay manana fijery diso momba an’Andriamanitra… Nandritra ny taonjato maro, indrisy fa niasa tamin’ny fomba mandaitra tokoa ny fahavalo tamin’ny alalan’ny olona sy ny sehatra isan-karazany, toy ny boky na ny haino aman-jery, mba hamoronana sary mivilana momba ny hoe iza marina Andriamanitra.
Olona maro no mihevitra fa Andriamanitra dia lozabe, mpila vaniny ary mpanampatra fahefana. Endrika iray azon’izy ireo avy tamin’ny fitondrantena ratsy hita tamin’ny mpino sasany izany. Olona maro hafa no mihevitra Azy ho mifanipa-teny na lavitra ny olona, ka mamela antsika irery amin’ny manjo antsika eto amin’ity tontolo ity. Misy sasany mihevitra fa Andriamanitra dia hery eo amin’izao rehetra izao, ary ny hafa kosa fa nofinofy noforonina fotsiny mba hampitony ny malemy indrindra amintsika Izy.
Saingy ianao mahafantatra Azy, ary hainao fa tsy izany heverin’izy ireo izany Izy. Ny zavatra niainanao niaraka taminy sy ny zavatra nataony teo amin’ny fiainanao manokana dia mijoro ho vavolombelona fa lehibe noho izay lazain’izy ireo Andriamanitra. Ary ny tsara indrindra dia afaka mikasika ny fiainan’ireo olona mikorontan-tsaina ny fiainanao. Mety manontany tena ianao angamba hoe « Ahoana no anaovana izany ? ». Ny valiny dia hokasihinao amin’ny vokatrao izy ireo.
Izany no lazain’i Jesosy manaraka ao amin’ny Jaona 15 : « Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo » (Jaona 15:8). Rehefa feno fiadanana, fahalemem-panahy, fiahiana marina ary fitiavana ho an’ny manodidina anao ny fiainanao, dia misy fiantraikany lalina eo amin’izy ireo izany. Raha ny marina dia manana fahefana mandrava ireo hevi-dison’izy ireo ny vokatrao ary mampiseho azy ireo hoe iza marina Andriamanitra.
Ry namako, ianao no endrik’Andriamanitra eto an-tany. Miteny kokoa noho ny teninao ny vokatrao, nefa tsy midika izany fa tokony hitsahatra ny miteny ianao. Miresaha momba an’Andriamanitra, ary indrindra indrindra, mitiava toa an’Andriamanitra ! Avelao ny vokatrao sy ny teninao ho tonga fitaovana tonga lafatra hikasihana ny hafa.
Ianao ilay fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an’ireo manodidina anao.