🪑 Eo amin’ny toeran’ny voampanga ve ianao ?
Efa nisy zavatra nataonao ve dia avy eo nanenenanao ?
Tsaroako niova tanteraka ny fiainako rehefa nihaona tamin’i Jesosy aho tamin’ny faha 15 taonako. Mihavao isan’andro ny fotoana hahafahako miaina ny fanatrehan’Andriamanitra. Tena mahatsiaro faly tokoa aho !
Na izany aza, rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka tonga tao an-tsaiko ny fanamelohan-tena. Nanomboka nifantoka tsikelikely tamin’ireo tsy fahombiazako aho ary nihevitra hatrany aho fa tsy mendrika an’Andriamanitra.
Nandritry ny heritaona aho no niaina izany fahatsapana izany. Nony farany dia tsapako fa hatrany am-boalohany Andriamanitra no efa namela ahy tanteraka ary tsy misy antony tokony hanamelohako ny tenako. Mifanohitra amin’izany aza, tiany aho mba hamiratra , ho feno hery sy fifaliana. Tena nahatsiaro afaka tokoa aho !
Ao amin’ny Baiboly ny fahavalo dia antsoina hoe : «mpiampanga ny rahalahintsika » (Apokalipsy 12 :10) ary miezaka hatrany mampatsiahy antsika ny tsy fahombiazantsika rehetra izy mba hanehoana fa « tsy mendrika » isika. Aza avela hanao izany izy ry namako !
Hoy ny Baiboly : « aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ny rano madio » (Hebreo 10 :22)
Ry namako, anio, manatona an’Andriamanitra amin’ny fo misokatra tanteraka ary avelao Izy hanadio anao. Aoka ny loharanony madio hanadio ny fiampangana rehetra ety ivelany sy ny anatiny izay manavesatra eo amin’ny fiainanao.
Andriamanitra dia te hanavao anao eo amin’ny Fanatrehany , hanadio anao ary hampatanjaka anao amin’ity andro ity.