🩸 Ny fahalemen’i Jesosy !
Ny iray amin’ireo lafiny manan-danja indrindra amin’ny fiainantsika dia ny fahalementsika.
Efa nahita olona toa mody “Superman” ve ianao, nefa tsy manao ilay fitafy ? Toa milamina tsara izy ireo, ary toa mandeha tsara amin’izy ireo ny zava-drehetra.
Raha ny marina, samy mandalo dingana samihafa eo amin’ny fiainantsika isika rehetra. Ary tsara raha lazaintsika ny marina momba izany, ary mitady torohevitra sy vavaka isika amin’ny olona matotra kokoa noho isika.
I Jesosy koa dia nandalo toe-javatra toy izany. Nandany fotoana betsaka teo amin’ny fanatrehan’ny Ray isan’andro izy. Ary vonona mandrakariva Izy hampianatra, hanasitrana, hanitsy, hitarika, sns. : tena mpitarika miavaka !
Kanefa rehefa nankany Golgota Izy, dia nilaza tamin’ireo mpianany akaiky Azy Izy hoe: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.” (Matio 26:38)”.
Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia, dia afaka nihazona ny “Fahamendrehany” ary naneho tamin’ny mpianany fa milamina tsara ny zava-drehetra ary tsy nisy olana.
Kanefa ny Mpanjaka Mpamonjy antsika, ilay Mpamorona ny zava-drehetra, dia nampiseho fa mafy ho Azy io fotoana manan-danja teo amin’ny fiainany io, tamin’ny olona tsotra vitsivitsy, ka nangataka azy ireo mba hanampy Azy amin’ny fiarentan-tory miaraka Aminy.
Waouuh! Fanampin’izany dia nanokana fotoana feno herin’ny vavaka Izy, tamin’ny ranomaso, ny fitomaniana ary ny rà , izany dia teo amin’ny toerana izay nahafahan’ny mpianany mahita Azy.
Efa nieritreritra momba ny fahalemen’i Jesosy ve ianao ? Afaka nilaza tamin’ireo mpianany akaiky Azy i Jesosy ny amin’izay manjo Azy ary tsy nihatsaravelantsihy tamin’izy ireo. Noho izany, isika koa dia tokony ho tena marina amin’ireo olona atokisantsika, hisokatra sy hangataka fanampiana aminy !
Fahadison-kevitra mandrakariva ny eritreritra te-haneho endrika matanjaka izay tsy ananantsika akory. Raha tsy nanao izany i Jesosy, nahoana izaho sy ianao no hanao tahaka izany ?
Ny fitahiana amin’ny fijanonana ho malemy sy ny fangatahana fanampiana amin’ireo izay tena itokiantsika indrindra dia mamela antsika hiaina ny herin’Andriamanitra ao anatin’ny fahalementsika. Mitarika ny hafa hanao toy izany koa sy ho tena marina izany.
Ry namako, mijanona amin’ny maha izy anao ianao manolona ny tenanao sy ny hafa ! Aza matahotra ny ho marefo. Io fahalemena io indrindra no mampifanakaiky ny olona ary mitondra fitahiana maro ho an’ny rehetra.