🧾 Manana “Fifanekena fifampitokisana” ve ianao ?
Fantatrao ve ny atao hoe “Fifanekena fifampitokisana”? Ity dia hetsika atolotry ny orinasa maro ho an’ny mpanjifany : raha manjifa tsy tapaka ao aminy mandritra ny herintaona, dia manolotra fanomezana ho azy ireo ilay orinasa na manolotra azy tolotra mandritra ny heritaona, na fihenam-bidy. Ianao ihany koa dia manana fifanarahana fifampitokisana !
Anio, te hiresaka aminao momba ny fifampitokisana aho, fa ilay tsy misy fifanarahana : ny faharetana. Io faharetana io dia maneho ny tsy fivadihan’ny fo, toy ny an’ny namana iray izay manohana anao amin’ny fotoan-tsarotra.
Hoy i Jesosy: “Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.” (Jaona 15:5).
Ny faharetanao mahatoky amin’ny faniriana hitoetra miaraka amin’i Jesosy no mahatonga ny fiainanao hamoa, hamoa be. Ho hitanao fa arakaraka ny ijanonanao mifandray Aminy no ahatsapanao bebe kokoa ny fiadanany sy ny fifaliana ; ary ny fankasitrahana dia hameno ny fonao. Ary ny tsara indrindra dia tsy mila manery ny tenanao akory ianao hiaina izany !
Ireo fitahiana ireo dia ho tanteraka ho azy, ary mety tsy ho tsikaritrao akory ary izany. Izany dia vokatry ny fifandraisanao tsy tapaka amin’ny voaloboka : mikorina ao anatinao ilay rano sarobidy ary tonga hanavao anao, hamelombelona ny fanahinao ary hahatonga anao hahavokatra tsy mbola nisy toy izany.
Ry namako, tsy afaka manao izany samirery ianao, ary izaho koa. Ao amin’i Kristy, no tena ahafahantsika mitondra io vokatra sarobidy io.
Anio, amin’ny faharetana, mitoera eo anilany mandrakariva, dia hiaina zavatra mahagaga ianao, dia vokatra hamelombelona anao sy ny hafa.