🧼 Jesosy nanasa ny tongotrao!
Efa nanasa tongotra olona ve ianao? Izaho efa nanao, ary efa imbetsaka =)
Olona tena nanana ny toerany tao am-poko foana ny renibeko. Noho ny fahasalamany, dia tsy mora taminy foana ireo taona farany niainany.
Tsaroako fa nanampy azy tamin’ny asa maro isan’andro aho, ny iray amin’ireo dia ny nanasa ny tongony.
Tsoriko fa tsy tiako ilay izy, nefa faly aho fa tena afaka nanampy azy. Tiany tokoa ny fahatsapana ny rano mafana mikoriana eo amin’ny tongony, ary avy eo ny fahatsapana ny lamba famaohana rehefa namafa ny tongony aho! =)
Efa nieritreritra ve ianao hoe nanao ahoana ny toetry ny tongotry ny mpianatr’i Jesosy? Ny fahafantarana fa nandeha an-tongotra izy ireo, tsy nanao afa tsy kapa, ary tamin’izany fotoana izany dia tsy toy ny ankehitriny ny fahadiovana, azo antoka fa tsy fofona ranomanitra “Chanel n°5” no nahenoana ny fofona voalohany… =)
Ny fanasana tongotra dia asa natokana ho an’ny mpanompo. Tsy nisalasala anefa i Jesosy fa naka koveta sy lamba famaohana hanasana ny tongotry ny mpianany. I Jesosy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, nefa faly nanompo azy ireo noho ny fitiavana.
Azonao sary an-tsaina ve ny mety ho fahatsapanao raha i Jesosy mihitsy no nanasa ny tongotrao? Rehefa vita izany, dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” ( Jaona 13:14-15 ).
Fahatsaram-panahy izany! Rehefa tsy voatery manao zavatra iray ianao, fa manao ihany na izany aza, ary mihoatra noho izany, dia manao izany amin’ny fo falifaly ianao.
Ry namako, mizara maneho fahatsara-panahy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao! Mivavaka aho mba hahafahanao maneho ny fon’Andriamanitra amin’ny hafa, amin’ny antsipiriany sy amin’ny fotoana rehetra.
Ary rehefa anjaranao ny manasa ny tongotry ny hafa, dia mivavaka aho mba ho vitanao amim-pitiavana izany, satria efa nisy nanao izany talohanao.