π§ Fahazarana tsara sa ratsy ?
Raha ny hevitrao, inona no tena manjaka eo amin’ny fiainanao : ireo fahazarana tsara sa ireo ratsy ? Samy misy eo amintsika na ny tsara na ny ratsy, na dia matetika aza no tsy tonga saina loatra ny amin’izany isika.
Ireo fahazarana izay vohizintsika dia manana akony lehibe eo amin’ny fiainantsika, satria izy ireny no mamolavola ny zavatra izay ho tanterahintsika, ary tsy dia mila ezaka avy amintsika akory izany. Ohatra : ny fiborosiana nify dia zavatra tsy dia hoe mahaliana manokana, kanefa raha toa ka efa zatra miborosy nify aorian’ny fisakafoana ianao, dia lasa zavatra mandeha ho azy ho anao izany. Ary indrindra, mety ho tsapanao avy hatrany, raha toa ka sendra nisy tsy nahafahanao niborosy nify.
Ohatra iray, ny mpaminany Daniela dia nanana fahazarana nanokana fotoana telo miavaka isan’andro hivavahana (Daniela 6:11). Izany indrindra no fanalahidy lehibe teo amin’ny fiainany nahafahany nifandray akaiky tamin’ny Tompo.
Saino anie hoe toy ny ahoana ny mety ho fitomboan’ny fiainam-panahinao raha mamolavola fahazarana tsara, toy ny mivavaka matetika, mamaky tsy tapaka ny Baiboly ary mahay mankasitraka kokoa ? Izany indrindra no tiako ho resahina aminao amin’ity herinandro ity.
Noho izany indrindra, dia ho fakafakaintsika ny fahazarana voalohany : dia ny fahatsoranao tanteraka amin’ny tenanao. Tsy misy ratsy indrindra mihoatry ny hoe isika ihany no miezaka mamitaka ny tenantsika, amin’ny fanafenantsika izay efa fantatsika fa marina ao anatintsika lalina ao. Manakana ny fanasitranana sy ny fivoarantsika izany.
Ny Baiboly milaza hoe : “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.” (2 Korintiana 13:5).
Anisan’ny zava-dehibe iray izay tohizako hatrany eo amin’ny fiainako ny fihainoko hatrany izay ao am-poko, ary entiko eo amin’Andriamanitra, amin’ny fahatsorana tanteraka, ny fihetseham-poko rehetra, ny eritreritro sy ny tsy fahombiazako. Izany fahatsorako izany no nampitombo ny fifandraisako Aminy ary ahafahako miaina ny toro-heviny amin’ny fotoana rehetra.
Ry namako, ataovy fahazarana ho anao isan’andro ny fifandraisanao Aminy amin’ny fomba mahitsy sy marina. Isaky ny miresaka Aminy amin’ny vavaka ianao, aza milaza Aminy afa-tsy izay tena teny marina avy ao aminao. Aza matahotra ny hanambara Azy ny fahalemenao : maniry hampatanjaka anao amin’ny fitiavany Izy.
Ankamamio ity andro ity eo amin’ny fanatrehany.