đ§ Atao sa tsy atao? Izay no fanontaniana !
Betsaka ny teny izay toa tsy misy dikany eto an-tany ! Taminâny fiainako aho dia nahita olona maro izay namerina fomba fiteny mahazatra, mety hoe azo atao ihany, fa aminâny fampiharana, tsy dia misy dikany aminâny fiainany loatra.
Mifanohitra tanteraka aminâny fahamarinana. Mamelombelona kokoa ny mihaino olona marina, izay manaraka izay lazainy, ny zavatra inoany ary ny zavatra ataony !
Jesosy no ohatra tsara indrindra aminâny fahamarinana. Sady mitory teny Izy no niaina tanteraka izay nolazainy. Ny Teniny dia iray Taminy mihitsy. Tsy niova mihitsy Izy, na taminâIzy nitory teny ho anâny vahoaka, na taminâIzy niaraka taminâny Mpianany, na taminâIzy nivavaka irery tany anaty ala.
Ry namako, fotoana izao hifanarahanâny tenintsika aminâny maha-isika antsika marina. Aoka hiala tanteraka aminâny fiainantsika ny endrika farisiana rehetra, satria hoy Jesosy âsatria miteny ihany izy, nefa tsy manao.â (Matio23.3). Tsy tokony ho tahaka izany ny eo aminâny fiainantsika :
Aoka ataontsika izay zavatra nolazaintsika fa ho atao.
Aoka tsy hatahotra ny ho marefo isika ary hizara amim-pahendrena izay zavatra iainantsika aminâny hafa.
Raha manosika antsika ny ambom-po dia aoka tsy haneho endrika izay tsy tena isika isika.
Mangataha famelan-keloka aminâny hafa amim-panetretena rehefa nanao izay nampahory azy ireo isika.
Andao hiresaka aminâny mangarahara sy fahendrena.
Ry namako, izany no ezaka ataoko isanâandro. Ao anatinâireo lahatsoratra izay alefako, miezaka aho mizara aminao ireo traikefako, ny adiko sy ny fandreseko, am-pitandremana sy aminâny fahatsoram-po.
Mino aminâny foko rehetra aho fa miresaka aminao Andriamanitra ao anatinâizany teny izany, ary koa mifanaraka aminâny zavatra iainanao ny zavatra nozaraiko.
Raha tsapanao fa tsy manana io firindrana io ny fiainanao, tianao ve ny hanandrana ny hiaina sy hamelabelatra ireo teboka nozaraina etsy ambony manomboka anio ? Te hanaraka ahy ao anatinâizany fomba fiaina tsara izany ve ianao ? Manome toky anao aho fa tena mendrika ny vokatra ho azo !
Ato am-poko ianao.