🦸 Oviana ianao no nahery fo tato ato ?
Efa naka sary an-tsaina ny tenanao manao asa feno herim-po ve ianao ?
Fony aho mbola zaza, dia nandany ora maro nisaintsaina toe-javatra izay namonjeko ain’olona samihafa, sy niatrehako ka nampitsoahako olon-dratsy … Naka sary an-tsaina ny tenako koa aho hoe namitapitaka tanaty lalao baolina kitra ka nahafaty baolina tsy hay adinoina, toa an’I Pelé ! Izay ilaina rehetra mba ho ilay maherifon’ny tantarako e =)
Tiako ny ambaran’i Jesosy hoe : ”Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:13). Fahiny rehefa namaky io andinin-tsoratra masina io aho dia nampahatsiahy ahy avy hatrany ireo asa feno herim-po nosaintsainiko aho. Taty aoriana dia nampahatsiahy ahy ireo fijoroana vavolombelona avy amina Kristiana, izay nanolotra ny fiainany mba hamonjena ny hafa izany, indrindra fa tany amin’ireo firenena izay nisy fanenjehana ny fiangonana.
Raha ny marina dia tsy mila miandry fotoana manokana intsony ianao hampiharana ny lazain’io andinin-tsoratra io. Saino ny fiainanao andavanandro dia amin’ny fomba ahoana ny ahafahanao mampandefitra ny programanao, ny fanirianao sy ny tetik’asanao mba hanomezanao fotoana kely ho fitahiana ho an’ny namanao ? Ary indrindra, amin’ny fomba ahoana ny ahafahanao maka fotoana mihoatra hiarahana amin’i Jesosy, ilay tena namanao ?
Indraindray isika diso mifantoka loatra amin’ny fiainantsika manokana ka manadino ny hafa. Kanefa ny fahafoizantsika kely amin’ny fotoanantsika sy ny fiainantsika dia ahafahantsika mampita izany fitiavana izany. Amin’ny farany dia ho fitahiana ho an’ny namantsika sy ho antsika ihany koa izany !
Ry namako, toa manoratra ity hafatra ity ho an’ny tenako ihany aho. Niasa tamina tetik’asa maro aho ary nifantoka tamin’ny fianakaviako nandritra ny fotoana ela, hany ka zara raha nanokana fotoana nitahiana ireo namako. Tena naka fotoana niaraka tamin’i Jesosy, ilay tena namako, aho, fa tsy ho an’ny hafa. Fotoana hanovana izany izao. Ary ianao ve hiaraka amiko amin’ity fanamby ity ?
Fitahiana ny fananako anao ho isan’ireo namana.