🦅 Manidìna avo !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🦅 Manidìna avo !

Hatramin’ny fahazazako dia izaho foana no nihazakazaka haingana indrindra tao amin’ny kilasiko. Na dia nanana kilao maromaro mihoatra aza aho tamin’izany fotoana izany dia resiko lalandava ireo namako, tamin’ny hazakazaka rehetra.
Ankehitriny, tsy izaho intsony no haingana indrindra, araka ny nasehon’ny zatovo maromaro tao am-piangonana tamiko, na ny matanjaka indrindra =) Izany no antony itiavako ity andinin-tsoratra ao amin’ny Baiboly ity, izay manambara hoe : “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka ”(Isaia 40:31).
Izany no fampanantenanana ataon’Andriamanitra aminao rehefa misafidy ny hametraka ny fitokisanao Aminy ianao :

  • Manome hery vaovao anao Izy.
  • Mampanidina anao Izy, toy ny voromahery.
  • Mahatonga anao tsy ho sasatra Izy, amin’ny fanavaozana ny herinao.

Eny ry namako, manana hery vaovao miandry anao Andriamanitra ! Na firy taona na firy taona ianao, na inona olana lalovanao, afaka manaiky hampaherezin’ny Tompo ianao anio, ao anatin’ny herin’ny Faherezany (Efesiana 6:10). Ianao sisa no andrasany.
Sarobidy eo imason’Andriamanitra ianao satria fahagagana ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!