đ„œMitandrema tsara !
Nandritra ny andro maromaro dia nizara teboka tena manan-danja taminao aho momba ny fomba handresena ny fakam-panahy. MamelĂ ahy hamintina azy ireo aminao :
- Te hanafaka anao Jesosy : tsy hoe tsy misy fanantenana intsony ny aminao
- Tsy misy fakam-panahy tsy manan-tsiny izany. Ampiasain’ny fahavalo ny fakam-panahy mba hanakanana anao tsy hanatanteraka ny planinâAndriamanitra ho an’ny fiainanao.
- Atsaharo izany ! MialĂ amin’ny fakam-panahy, ary aza avela ho ivon’ny fiainanao izany.
- Aza miady aminâny fakam-panahy : mandosira azy ary mialĂ aminy !
- MazĂ na ianao dia manana finiavana mihoatra lavitra noho izay eritreretinao.
- Manorita fetra ! Misy vokany ny fahotana ary tsy afaka misangy aminâAndriamanitra ianao. Noho izany, ahetseho ny finiavanao hanatsahatra ny fahotana.
- Banjino Jesosy sy ny Fampanantenany ho anâny fiainanao, ety an-tany sy any an-danitra. Tsinontsinona eo anatrehan,Andriamanitra ny zavatrâizao tontolo izao.
Te hamarana aminâny fanalahidy iray aho, izay tena zava-dehibe ho anâizay rehetra ataontsika ety aminâizao fiainana izao : aoka isika hiambina.
Izany no nolazainâi Jesosy taminâireo mpianany : âMiareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-keryâ (Marka 14:38).
Raha toa ianao nanaraka ireo dingana samihafa tao ho ao dia azoko antoka fa efa nanomboka niaina fandresena nanoloana ny fakam-panahy izay nanjo anao ianao. Na izany aza, tsy tokony hitarika anao hampidina ny fiambenana mihitsy izany fa vao mainka aza tokony hampiambina anao misimisy kokoa.
Ny zavatra tsy fatao indrindra rehefa miady dia ny manambany ny fahavalo. Noho izany, na handresy fakam-panahy aza ianao dia tsy maintsy hiezaka haka fanahy anao aminâny fomba hafa hatrany ny fahavalo. Tena ilaina tokoa Ă ry ny manaraka ireo toromarikâI Jesosy : mila miambina isika ary miaina anaty tontolom-bavaka.
Toy izany ihany no ahafahantsika mamantatra ny fanafihana sy ny planina izay omaninâny haizina ho antsika. Toa ny ambaranâny andalan-tsoratra iray ao aminâny Baiboly manao hoe : âKoa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavoâ (1 Korintiana 10:12). Mila mandinika tsara ny zava-miseho eo aminâny hazakazaka izay ataontsika isika sady mihaino tsara ny feonâAndriamanitra mba tsy ho tafintohina aminâny zavatra tsy ampoizina.
Ry namako, sokafy ny maso ary mitandrema tsara hatrany ! Aminâizany dia mamporisika anao aho hanokana fotoana irery miaraka aminâAndriamanitra isa-maraina, hiresahana am-po Aminy ary hihainoana izay tiany lazaina aminao. Hanampy anao hanokatra ny fijerinao sy hamantatra ny fomba handresena ireo fakam-panahy aminâny fomba mahomby izany fifandraisana lalina izany.
Handeha hatoky Azy fa fantany izay ataony ! đ