šŸ„½ Matokia ny dingana apetrakā€™Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | šŸ„½ Matokia ny dingana apetrakā€™Andriamanitra

Mety efa nisedra izao imbetsaka ianao nandritry ny fiainanao : ny fotoananā€™Andriamanitra dia tsy mifanaraka loatra amin’ny fotoanantsika.

Matetika isika maniry ny hanatanterahanā€™ny zavatra haingana sy mora, satria mifantoka amin’ny tsipika famaranana ny masontsika. Manana tanjona iray isika, toerana ahatongavana, dia te ho tonga eny amin’ny fomba haingana indrindra.

Saingy Andriamanitra dia tsy mifantoka amin’ny tsipika famaranana, fa amin’ilay dia, sy ireo dingana arahana mba ahatongavana eny an-toerana. Manome toky anao Izy ary tiany ianao mba hanararaotra izany. Fa mandritra izany dia ampiasainy ireo dingana maro samihafa mba hiasany ao amin’ny fiainanao, mba hamolavolany ny fonao ary hanomanany anao hanatanteraka ny anjara asanao.

Tena mahatalanjona sy feno fahendrena tokoa ny fiasanā€™Andriamanitra eo aminā€™ny fiainantsika!

Ny faharetana dia anisan’ireo fanalahidy manan-danja indrindra mba ahitana ireo fampanantenanā€™Andriamanitra tanteraka eo amin’ny fiainantsika.

Toy izany no niainan’i Abrahama. Hoy ny Baiboly: ā€œAry araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.ā€ (Hebreo 6 : 15)

Jereo anie : Tsy maintsy niandry 20 taona mahery i Abrahama vao tanteraka taminy ny teny fikasana : ny nahitany ny nahaterahan’ny zanany lahy Isaka. Mihoatry ny 20 taona!

Tsy fantatro ny aminao ry namako, fa izaho koa dia miandry efa an-taonany maromaro ny teny fikasanā€™Andriamanitra sasany, fampanantenana izay mbola tsy tena hitako tanteraka eo amin’ny fiainakoā€¦

Na izany na tsy izany aza dia mamporisika anao aho handinika ny amin’izao : Abrahama efa nahita an’i Isaka tao amin’ny fanahiny, ary niandry azy izy. Ary Andriamanitra dia nahita zavatra mbola goavana kokoa : Abrahama no rainā€™ny finoana ary manana anjara asa goavana amin’ny drafitry ny fanavotanan izy..

Ry namako, matokia ny Tompo sy ny dingana apetrany eo amin’ny fiainanao! Mahita mihoatra lavitra noho izay mety heverinao Izy, ary tsarovy fa ireo drafitra napetrany eo amin’ny fiainanao dia tsara avokoa.

Tano mafy ireo teny fikasany anio! Ambarao izany amin’ny fiainanao ary mirosoa hatrany! Manomana anao handray ny fampanantenany Andriamanitra, ary rehefa tonga izany dia ho fotoana mamy ery!

Ato am-poko ianao,

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!