🥰 Tsara tarehy ianao
Manana fotoana kely ve ianao ry namako? Raiso haingana Ă ry ny findainao ary alaivo sary ny tenanao. Sary indray mipika, tsy amboarimboarina fa amin’izao paozinao izao.
Na mijereva fitaratra vetivety ianao… Inona no hitanao? Inona ny ao an-tsainao voalohany?
Ny zavatra tiako ambara aminao manaraka eto dia tena fototry ny fiainanao, satria raha tena manomboka mino an’izany ianao dia hiova mandrakizay:
Izay hitanao eo amin’ny fitaratra dia izay koa no hitan’Andriamanitra… ary tiany izany… mandrakizay!
Ankehitriny, andeha isika hiditra lalindalina kokoa… na andeha mihitsy hiverina any amin’ny pejy voalohany amin’ny Baiboly, izay mivaky toy izao manao hoe:
“Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.” (Genesisy 1.25)
Voamarikao ve fa voalaza eto hoe: “Namorona azy araka ny karazany avy Izy”? Raha manohy mamaky izay lazain’Andriamanitra momba ny famoronana isika, dia izao no hitantsika: “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1.27)
Tsy voasoratra hoe: “Nahary ny olona araka ny karazany avy Izy…”! Fa kosa: “Nahary ny olona araka ny endriny Izy”! Oahh! Mihoatra noho ny fahatakarantsika rehetra izany ry namako!
Ny fanazavana voalohany hitako ao amin’ny rakibolana momba ny teny hoe “sary” dia izao manaraka izao: “olona mitovy amin’ny olon-kafa”.
Andriamanitra dia nanapa-kevitra ny hamorona anao tsy araka ny “karazanao”, fa “araka ny Endriny”, ny Tarehiny, ny Azy! Ny sarin’Andriamanitra!
Aza misalasala mandinika ny tenanao indray eo amin’ny fitaratra: “Taratry ny Tompo ianao, taratry ny endriny”!
Tsy haiko ny momba anao, ry namako, fa izaho manokana dia gaga ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra ahy hatramin’ny nahariany ahy!
Aoka isika hanolotra ny fisaorana rehetra ho an’Andriamanitra, izay tsy nahary anao tamin’ny fomba tsotra, fa araka ny Endriny, ary tiany ianao araka ny maha-izy anao!
“Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139.14).
Misaotra Tompo nahary ahy araka ny endrikao! Ampio aho mba tsy hisalasala intsony fa tianao araky ny maha izy ahy aho! Amen!