🥬 Laninao ve ny legiomanao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🥬 Laninao ve ny legiomanao ?

Tadidinao ve fony ianao mbola kely dia tsy maintsy nanapitra ny legiomanao ?
Ho ahy manokana, tsy dia sarotiny loatra tamiko ny fianakaviako fony fahakeliko, izaho rahateo nazoto nisakafo. Noho izany, tsy dia olana ho ahy loatra izany =)
Fa manana namana maro aho, izay tsy navelan’ny ray aman-dreniny niala ny latabatra raha tsy efa tapitra ny legioman’izy ireo. Ho an’iray hafa, navelan’ny ray aman-dreniny hiala ihany izy, saingy ny hariva dia iny lovia iny ihany no norosoany azy. Ary tsy maintsy nanapitra ny legioman’ny atoandro raha te hihinana ny sakafo matsiro teo ambany masony.
Eny ry namako, tsy toy ny soso-kevitra ny mihinana ny legioma fa toy ny baiko =) Angamba isika kely loatra ka tsy nahatakatra ny tanjona sy ny hany antony nanosika azy ireo. Fa raha ny marina dia noteren’ny ray aman-drenintsika hisakafo isika satria fantany fa ilaina izany mba hitombo sy hatanjaka ary ho salama tsara isika.
Omaly isika dia nandinika ny andalan-teny niantsoan’Andriamanitra an’i Josoa hitarika ny vahoakan’ny Isiraely ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Andalana maromaro aorian’io dia namerina indray tamin’i Josoa Andriamanitra nanao hoe : “Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy mahatanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao » (Josoa 1:9).
Tsy nanoro hevitra an’i Josoa Andriamanitra mba ho be herim-po : fa didy izany, baiko. Ao amin’io andalana io dia intelo izy no nandidy azy mba hatanjaka sy ho be herim-po, satria fantany fa raha tsy misy ireo toetra ireo dia tsy ho vitany ny iraka nampanaovina azy.
Ry namako, mandidy anao Andriamanitra anio mba ho be herim-po satria fantany fa izany no tsara indrindra ho an’ny fiainanao.
Alaivo sary an-tsaina anie hoe toy ny ahoana ianao ary inona ny mety ho vitanao raha be herim-po kokoa ianao ankehitriny ? Azoko antoka fa hahatsapa fahafahana bebe kokoa ianao ary hazoto kokoa amin’ny andavanandro.
Tian’Andriamanitra ny hiainanao ny fitahiana ao anatin’ny fiasana mafy sy amin-kerim-po isan’andro. Ary manomboka amin’ny fanapahankevitra avy aminao ny zavatra rehetra. Hihaino azy ve ianao ?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!