đ„ Navelanao amboninâny afo ny vilany !
Efa nahita fanamasahana sakafo ve ianao? Anisanâny mampiavaka ny vilany âcocotte-minuteâ dia ilay feony mitsifitra rehefa eo amboninâny afo izy.
Ny fiainantsika dia tahaka ny âcocotte-minuteâ. Manoloana ny afonâny olana, dia mikorontana ny ao anatintsika, ary henontsika miakatra ny tsindry ao anaty. Tsy fantatro ny aminao, fa raha ho ahy, dia tsy sary fotsiny izany ohatra izany. Indraindray aho dia mahatsapa izany tsindry izany ao aminâny tratrako, indrindra fa rehefa tsy maintsy hiatrika olana goavana aho.
Dia tahaka ny âcocotte-minuteâ, mila avoakantsika tsikelikely izany tsindry izany, ilay fiasan-tsaina ao anatintsika. Ahoana ny hanaovana izany? Manana safidy maro isika, afaka tezitra, mitaraina, mitomany, miresaka aminâolona isikaâŠ. Marina fa ireo teknika rehetra ireo dia afaka manampy antsika mba ho maivana kokoa aminâizay fotoana izay. Fa raha ny marina, fomba iray ihany no tena mandaitra : mametraka aminâAndriamanitra izany tsindry izany.
Ny Baiboly dia milaza : âary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareoâ (1 Petera 5:7) Mampahery antsika ihany koa Andriamanitra aminâity andian-tsoratra masina ity : âAza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.â (Filipiana 4:6-7)
Raha mahatsiaro fa manana fanahiana matetika ianao, dia aza avela hiangona ao anatinao izany fanahiana izany mandra-pipaoka azy : Apetraho aminâi Jesosy izany. Resaho ao anaty vavaka Izy, esory aminao izany mavesatra izany, avotsory ho eo an-Tongony ny fanahianao rehetra ary minoa fa hiasa eo aminâizany trangan-javatra izany Izy. Fantatrao ve ny hitranga avy eo? Hanomboka ho henonao tsikelikely ao anatinâny minitra fohy ny Fiadanany mamy izay hampahery anao indray.
Eny ry namako, avelao Andriamanitra hanala ny fanahiana eo aminâny fiainanao anio mba hanomezany anao ny Fiadanany izay sarobidy indrindra. Fampanantenana afaka ampiasainao izany. Te hino izany ve ianao ka hanao izany ho anao ?
Anio ary, hampandositra ny fanahianao anie ny Fiadanany !