đŸ„˜ Fanasana ho an’ny fanahy !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đŸ„˜ Fanasana ho an’ny fanahy !

Tia fampakaram-bady ve ianao ? Isaky ny afaka manatrika aho dia tiako izany !
Tena ankasitrahako ireny fotoana ireny izay ifangaroan’ny fifaliana, ny fiandrasana ary ny fientanentanana mandritra ny fampakaram-bady. Tena mahafinaritra ny mankalaza an’ity fotoana manokana eo amin’ny fiainana ity miaraka amin’ireo olona akaiky antsika !
Noho izany, eny, marina fa ny fotoanan’ny korana no ampahany mampientana ahy indrindra.
Tsy haiko ny momba anao, fa izaho manokana dia miezaka hatrany ny mihinana kely dia kely amin’io andro io, mba hananako toerana misimisy kokoa amin’ny fotoam-pisakafoanana. Ary indray mandeha aza, dia nandeha nijery mpitsabo nify mihitsy aho andro vitsivitsy mialoha, mba ho vonona amin’ilay fotoana ny “mekanisma”ko manontolo! =D
Ny mifady hanina dia fomba iray hanamafisana ny fikatsahantsika ny fanatrehan’Andriamanitra rehefa noana Azy isika.
Raha maka ohatra amin’ny fampakaram-bady isika, rehefa mifady hanina ianao, dia tsy misakafo mandritra ny fotoana voafetra mba hampitomboana ny filanao amin’ny fahafinaretana tian’Andriamanitra homena anao. Tena mendrika izany!
Izaho manokana dia maka fotoana kely matetika ifadiana hanina ary hitako ny vokatra tsaran’izany eo amin’ny fiainam-panahiko.
Jesosy ihany koa dia naka fotoana nivavahana sy nifadiana hanina. Indray andro, nanery Azy hisakafo ireo mpianatra satria natahotra Azy ho torana, saingy hoy Jesosy tamin’izy ireo : “Izaho manan-kohanina izay tsy fantatrareo” (Jaona 4:32).
Ny sakafony dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fihainoana ny Teniny, araka ny voalazan’ny andalan-teny hoe : “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Matio 4:4).
Ry namako, aza adino ny fanasana izay nomanin’Andriamanitra ho anao! Ampiasao ny fotoana hifadian-kanina ho tombontsoanao.
Anio, afantohy amin’i Jesosy ny masonao ary amin’izay rehetra tiany hozaraina aminao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!