đŸ„–Mivokisa amin’ny mofon’ny lanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đŸ„–Mivokisa amin’ny mofon’ny lanitra !

Omaly isika niaraka naka fotoana nahafinaritra, izay nahafahantsika nisafidy ny “hanokatra ny fantson’ny” loharanon’ny fiainantsika ! =)
Anio, te hiresaka aminao momba ny Tenin’Andriamanitra aho. Ao amin’ny andalana izay natomboka nofakafakaina omaly, Jesosy tenany mihitsy no mandray ohatra ny tenany rehefa nilaza hoe : “ Izay mino Ahy,
, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” (Jaona 7:38).
Jereo anie izay ampanantenain’ny Salamo 1 ho an’izay : “Fa ny lalĂ n’i Jehovah no sitrany; eny ny lalĂ ny no saintsaininy andro aman’alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:2-3). Fampanantenana tena mahafinaritra izany !
Oviana izao ianao no nanandrana sakafo tena matsiro ? Eritrereto vetivety anie e. Mmmhhh
 Tsy aiko ianao, fa raha izaho aloha, dia mahatsiaro sakafo matsiro toy ny paty italianina
 ary mahatonga ny hanoanako izany ! 😋
Rehefa misy sakafo mafilotra dia tena oanina hatramin’ny farany. Satry aza izany fotoana izany hitohy foana hatrany ! =)
Dia tahaka izany indrindra ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny fanahy: sakafo tena matsiro ! Efa niaina izany ve ianao hoe, nanomboka namaky andalana vitsivitsy tao amin’ny Baiboly, fa noho ny avy eo , dia tsapanao hoe afaka mijanona ora maro eo ianao mamaky azireo, mamakafaka, ary mameno ny fanahinao amin’ireo fampanantenany sarobidy ?
Raha mbola tsy niaina izany ianao , dia mety hoe satria tsy mbola noraisinao ho toy ny sakafo matsiro ny Baiboly. Ho anao, mety hoe, aroso eo aminao indray ireny legioma izay tsy tianao nohanina omaly hariva
 toy ny hoe adidy tsy maintsy atao ? Raha toy izay ny fandraisanao azy, dia te hanampy anao aho mba ahafahanao mahita ny tsiron’ny Soratra masina !
Sokafy ny Baibolinao ao amin’ny Filazantsara, na ny Salamo, na amin’izay tianao. Dia avelao Andriamanitra hameno ny fanahinao amin’ny tenin’Andriamanitra sarobidy ! Ny Salamo 1 dia manome toky antsika fa rehefa mahazo tsirony amin’ny Soratra masina ka mandinika izany isika dia :

  • Hisotro amin’ ny rano velona mikoriana isika.
  • Hamokatra ny fiainantsika.
  • Ho voatazontsika hatrany izany hatsiatsiaka izany.
  • Ary na inona ataontsika dia hiroborobo izany !

Waouh ! Inona indray no tadiavinao mihoatra izany ary ? =)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!