🥖 Aza manao tsinontsinona ny mana!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🥖 Aza manao tsinontsinona ny mana!

Rehefa mieritreritra ny fimonomononana aho, ny ohatra tena manan-danja izay tonga ao an-tsaina foana dia ny zanak’israely tany an’efitra.
Nantsoin’Andriamanitra i Mosesy mba hanao famantarana sy fahagagana tamin’ny alalany. Tena nahavariana tokoa izany, ka tamin’ny farany i Farao dia nanapa-kevitra ny handefa ny zanak’Israely. Niampita ny Ranomasina Mena toy ny mandeha amin’ny tany maina izy ireo, fa ny Egypsianina izay nanandrana nanatratra azy ireo dia difotry ny rano tanteraka!
Efa nahita fahagagana maro ny vahoakan’Israely. Kanefa maro tamin’izy ireo no nanohy nitaraina sy nimonomonona tamin’i Mosesy sy tamin’Andriamanitra. Ahoana no mahatonga an’izany?
Ireto, ankoatra ny hafa, ny vokatry ny fimonomononana:

  • Ny fimonomononana dia fanehoana ny tsy fankasitrahana. Nitaraina tamin’Andriamanitra ny amin’ny mana ny vahoakan’Israely, fony tany an’efitra, satria hitany fa malemilemy izany raha oharina amin’ny sakafo nananany tany Egypta. Tsy hitany fa nanao fahagagana isan’andro teo amin’ny fiainan’izy ireo Andriamanitra, ka nandatsaka an’io mofo avy any an-danitra io ( Nomery 11:4-6 ).
  • Ny fimonomononana dia miteraka fahajambana sy marenina ara-panahy. Teo amin’ny andalan-teny etsy ambony, dia lehibe loatra teo amin’izy ireo ny tsy fahitana ny tena zava-misy, ka saika tonga hatramin’ny fahatsiarovana an’i Egypta tamim-piravoravoana izy ireo, ka nanadino fa andevo izy ireo tany.
  • Mamono ny finoana sy manamafy ny fo ny fimonomononana. Hoy ny Baiboly: “Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,Fa nimonomonona tany an-dainy. Ka tsy nihaino ny feon’i Jehovah.”( Salamo 106:24-25 ). Ny fimonomononana dia miteraka tsy finoana, mahatonga antsika ho lasa manana toe-tsaina manakiana, ary manampina ny sofitsika amin’ny feon’Andriamanitra.

Ry namako, esory ny fimenomenonana rehetra. Poizina ho an’ny fiainanao ny fitenenan-dratsy, fandrika fahafatesana ho an’ny fanahinao : aza avela hiditra amin’ny resaka ataonao izany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!