🥖 Aza adino ny mana !
Efa nahazo anao ve hoe rehefa avy namaky teny tao anaty Baiboly ianao dia nahazo aina, tahaka ny hoe voky ny fanahinao ?
Efa nahazo ahy imbetsaka teo amin’ny fiainako izany, ary mbola miaina izany matetika aho.
Hitanao, tena mahafinaritra loatra rehefa ilay mamaky teny ao anaty Baiboly ianao, ka tena mahakasika anao lalina ilay andian-tsoratra masina. Lasa mitondra hevitra vaovao ho amin’ny fiainanao ilay teny, izay mbola tsy hitanao hatrizay, ary mamaka ao am-ponao izany…
Andriamanitra dia nilaza tamin’ny alalan’ny mpaminany Amosa “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah” (Amosa 8.11). Tsy fantatro ianao fa raha izaho dia mila ny Teniny misimisy izay manome aina !
Ry namako, maniry ny hanome hetaheta ny Teniny misimisy anao Andriamanitra ! Maniry Izy mba ho ataonao mana isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ka hahafinaritra anao ny hamaky sy hisaintsaina izany.
Raha toa ka sahirana ianao hamaky teny isan’andro, dia ireto misy toro-hevitra telo omeko anao :
- Voalohany, aza manamelo-tena ianao. Tsy manery anao Andriamanitra hamaky ny Baiboly, ary tsy kristianina tsy mendrika ianao raha tsy mamaky izany matetika araka ny tianao.
- Faharoa, fanasana ho anao io : tsy fanerena, fa fanasana avy amin’Andriamanitra mba hahitanao ireo harena izay efa nomaniny ho anao ao anatin’ny Teniny. Manana fanomezana sarobidy izay efa nomaniny ho anao Izy, izay hanova tanteraka ny fiainanao.
- Ary fahatelo, “meteza ho tsotra” : atomboy amin’izay azo idirana izay afaka ataonao isan’andro, tahaka ny mamaky boky iray ao anaty Baiboly 5 minitra isan’andro. Mandania fotoana kely hamakafakana ny tiany ambara amin’ilay andian-tsoratra masina. Hanova tanteraka ny fiainantsika izany fahazarana kely isan’andro izany.
Eny, manasa anao Andriamanitra hiaina ny herin’ny Teniny anio.