🥊 Tohero ny fiheveran-tena ho ambany…
Araka ny nolazaiko omaly, amin’ny maha mbola zatovo an’i Timoty dia tsy dia nasian’olona sasany lanjany loatra izy.
Mety azontsika eritreretina hoe nanoro azy mba tsy hiteny na inona na inona ny Apostoly Paoly, ary mba ho fanajàna, dia hangina fotsiny rehefa mankahala azy ny hafa, manao fijery feno fitsarana ivelany.
Mety ho nieritreritra koa ary isika hoe namporisika azy ny Apostoly Paoly mba tsy hanaiky hitsakitsahina, mba hiaro tena, na koa hampiseho azy ireo hoe tsy matahotra, na dia mbola zatovo aza.
Fa ny torohevitry ny Apostoly Paoly dia mbola mihoatra lavitra noho izany, satria hoy izy hoe : “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.” (I Timoty 4 : 12)
Mifantoha tsara amin’ny hafatra navelany : ny fomba hanoherana izay fahatsapan-tena ho ambany izay dia ny manao ny tena ho ohatra tsara alain-tahaka ho an’ny hafa.
Ianao koa mety mahatsapa hoe tsy mba mihevitra anao ho “ambony” loatra ny hafa, hoe tsy tena mahavita azy ianao. Mety hisy fahasorenana sy tsy fahatokisan-tena ao am-ponao noho izany.
Fa anio, adinoy izany rehetra izany. Raha ny marina dia tokony hivoatra daholo isika, marina fa tsy tena araka ny nantenainao ireo zava-misy.
Izay no mahatonga hoe manomboka anio, aza avela hisy eo amin’ny fiainanao intsony izay mety ho fiheveran-tena ho ambany! Meteza hanapa-kevitra mba hanome izay tsara indrindra vitanao, am-pitiavana, amin’ny fiteny, amin’ny fomba fihetsika, amin’ny haben’ny finoanao, amin’ny fahadiovanao, amin’ny an-tsipiriany rehetra…
Ry namako, manehoa an’i Jesosy amin’izay atao rehetra ! Aoka ny fifaliana, ny fandresen-dahatra, ny vavaka… hameno ny fiainanao, mandritry ny lalam-piainana. Ataovy ho an’i Jesosy ny zavatra rehetra, ary koa am-pitiavana ho an’ny hafa!Ary rehefa mahatanteraka izany ianao dia lasa ohatra tsara alain-tahaka ho an’ny hafa ka hitombo bebe kokoa, tsy ho azonao an-tsaina izany. Ho lasa ilay olona nirinao ho tenanao ianao : mibanjina ny lala-marina ka manao dingana amin’izany lalana izany 😉