🥇Efa an-dalana ny fandresena !
Tratry ny Krismasy , ry namako !
Tahian’ny Tompo lehibe ianao amin’ity anio ity, ry namako, ary enga anie ianao ho afaka hanararaotra ny fiarahana amin’ny fianakavianao amin’ity andro miavaka ity izay ankalazantsika ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. Aza adino ny mametraka Azy ho ivon’ity andro ity ! ;D
Ity andian-dahatsoratra ity dia tiko ho faranana amin’ny firesahana momba ny voa izay vokatra eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny hafa rehefa misafidy hankato an’Andriamanitra isika.
Taona vitsy taorian’ny nitsoahany tany Egypta, dia nanambara tamin’i Josefa indray Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny nofy, fa i Heroda ratsy fanahy dia efa maty ary fotoana indray izao hiverenany any Jerosalema. Noho ny avy eo, Andriamanitra dia naneho taminy fa mila mandeha mamonjy ny faritr’i Galilea, ao amin’ny tananan’i Nazareta izy, mba ahatanterahan’ny Soratra masina.
Teo, Josefa sy Maria dia nahita toerana nahafahany nipetraka ihany. Ireo volana maro nahitany traikefa sy fihaonana dia nanjary nanome toerana taona maro feno filaminana sy fitiavana. Izany indrindra, no nahitan’izy ireo ny fitomboan’i Jesosy, izay rehefa aty aoriana, nitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.
Nanakinan’Andriamanitra ny aton’asa lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona izy ireo, ary dia noraisiny ny anjara andraikitra nomena azy ireo.
Ry namako, rehefa misafidy ny hanompo an’Andriamanitra tsy misy fisalasalana ary handeha amin’ny finoana ianao, dia tsy maintsy misy vokatra sarobidy eo amin’ny fiainanao izany !
Te hampahery anao aho mba tsy hanaiky ho resy, raha toa ka ao anatin’izany dingan’ny finoana izany indrindra ianao amin’izao fotoana izao. Raha noentin’Andriamanitra hatreo amin’io lafim-piainana io ianao, dia azo antoka fa hitohy izany fitantanany anao izany. Izao no fotoana ametrahanao fitokisana amin’Azy tanteraka !
Mba tiko isaintsaina ireto zavatra roa ireto ianao :
. Ny toe-javatra izay iainanao amin’izao dia tsy aharitra mandrakizay : mandalo io, ary ao aoriana kely ao dia afaka hifaly amin’ny fotoana sasany ianao.
. Ny vokatra izay aterak’io toe-javatra io eo amin’ny fiainanao sy ny an’ny hafa dia hahatalanjona =)
Noho izany, mirosoa, ary katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina ! Miaraka amin’izany ihany koa, meteza ho fitahiana ho an’ny olona maro araka izay tratra, amin’ny fanatanterahana izay hetahetam-ponao, indrindra amin’izao vaninandron’ny Krismasy izao ;D