🥂 Fanasana manokana ho anao !
Manantena aho fa manentana anao ity andian-dahatsoratra manokana momba ny fahafaham-po ity, ary mianatra misimisy kokoa ianao ho afa-po amin’izay anananao ! =)
Iray amin’ireo andinin-teny tiako indrindra ao amin’ny Baiboly ity ohabolana ity : « Ratsy avokoa ny andron’ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva » (Ohabolana 15:15).
Tena tiako ny hoe afaka manao fety tsy an-kiato ! Marina izany, ny olona mahavita mijanona ho afa-po foana, na inona na inona toe-javatra, dia afaka mankafy tanteraka sy tsy tapaka ny fiainana.
Ny andro iray dia fanomezana, fahafahana miaina ireo fahafinaretana kelin’ny fiainana andavanandro, irony fotoana tsotra, feno hatsarana sy lalim-paka irony.
Izaho manokana dia mihevitra ny tenako ho olona afa-po, satria, araka ny hitantsika omaly, dia nianatra aho nandritra ny androm-piainako ny hifaly amin’ny toe-javatra rehetra, indrindra fa ireo sarotra indrindra.
Mitady ny fon’Andriamanitra aho ao anatin’ny toe-javatra tsirairay, ary afaka mahita fahatsarana eo anivon’ny fotoana rehetra izay lalovako.
Mahita izany aho indraindray ao anatin’ny tontolo andro mahafinaritra iray, na ao anaty teny mahafinaritra ataon’ny olona iray mifanena amiko, na koa, ao anatin’ny fahasambarana izay tsapako satria fantatro fa miaraka amiko Andriamanitra ; amin’ny fotoana rehetra…
Ry namako, fanasana no miandry anao isan’andro, na dia eo anivon’ny toe-javatra sarotra indrindra izay mety lalovanao aza. (Jereo ny Salamo 23:5).
Mandrosoa an-databatra anio ! Ary, amin’ny fo tsotra sy feno hafalian’ny zaza dia mifalia amin’ny Fahatsaran’Andriamanitra aminao. Tena misy fiantraikany amin’ny fiainanao rehefa manao izany ianao ! =)