🤷🏻‍♂️ Fiadanana mihoatra ny natoraly!
Matetika ny fiadanan’Andriamanitra dia tsy misy hifandraisany amin’ny eritrerintsika olombelona.
Nandritra ny taona maro dia niaina fotoan-tsarotra aho, ary nandritra izany dia nahatsapa mandrakariva tato anatiko ilay fiadanan’Andriamanitra aho rehefa nandalo izany ady izany. Tena sarobidy izany Fiadanany izany! Efa niaina izany koa ve ianao ry namana?
Sarotra amin’ny saintsika olombelona ny mahatakatra izany. Ho antsika tokoa, ny “olana” miovaova dia miteraka ahiahy foana, tebiteby ary tahotra …
Fa ny zavatra tsy mba heverin’ny saintsika dia ny fikasihan’ny Fanatrehan’Andriamanitra sy ny bitsiky ny feony izay milaza lalina ao am-pontsika hoe: “Mahereza, fa Izaho ihany; aza matahotra !” (nalaina avy amin’ny Matio 14:27).
Eny, mitobaka eo amin’ny fiainantsika ny Fiadanany, mihoatra lavitra noho izay azontsika takarina. Jereo izay lazain’ny Baiboly hoe: “Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:7).
Inona no mitondra ny fiadanan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao:
- Tandremo ny fonao, mba tsy hitondranao an’io vesatra io intsony na hahatsapanao io tsindry ao an-tratranao io. Ary hahatsiaro ho afaka ianao.
- Afantohy amin’ i Jesosy Kristy ny eritreritrao, mba tsy hisainanao intsony ny olanao. Mifantoha amin’ny vahaolana efa nomanin’Andriamanitra ho anao.
Ry namako, mety tsy hainao hazavaina ny atao hoe fiadanana, fa anio dia azo antoka fa hiaina izany ianao. Fifaliana lehibe no efa voaomana ho anao, na dia mandalo fitsapana mafy indrindra aza ianao. Anio, eto, ary ankehitriny… afaka miaina izany ianao raha tianao.