🤯 Rahona feno adin-tsaina !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤯 Rahona feno adin-tsaina !

Lazaina matetika fa ny adin-tsaina dia loza mitatao amin’izao taonjato faha-21 izao. Eny tokoa, tsy isalasalana fa ny olana eo amin’ny fiainana, ny andraikitra isan-karazany ary ny tsy fahampian’ny fotoana dia miteraka fiainana feno adin-tsaina.

Nitebiteby i Marta. Ny faniriany hanompo sy hanome ny tsara indrindra ho an’Andriamanitra tamin’ity famangian’I Jesosy ity dia nitondra azy tamin’ny tebiteby ka nahatonga azy ho very hevitra.

Hoy ny Baiboly: “Fa Marta sahirana tamin’ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy!” (Lioka 10:40).

Ny zava-nisy mahaliana eto : ny tanjon’i Marta voalohany indrindra dia ny hahazoana antoka fa hiaina fotoana tsara indrindra ao an-tranony ny Mpampianatra sy ny mpianany. Tezitra mafy tamin’ny rahavaviny anefa izy, ka nandeha nitaraina tamin’i Jesosy.

Hitanao ve ny fifanoherana lehibe izay tsapan’i Marta ? Amin’ny lafiny iray, dia nanao ny fanompoana tsara indrindra ho an’ny Tompo izy, kanefa ny hatezerany dia lasa nitarika azy hitaraina, minitra vitsy taty aoriana. Nitaraina tamin’i Jesosy izy, ka tiany hanitsy ny fitondran-tenan’ny rahavaviny i Jesosy, ary nilaza taminy izay tokony hataony.

Azo antoka fa tsy izany no fomba tsara indrindra hatao amin’ny vahiny tonga ao aminao, indrindra raha Andriamanitra mihitsy io vahiny io! =)

Kanefa, tsy mifanalavitra amin’ny zava-misy iainantsika anefa izany. Tena mora ny tafalatsaka ao anatin’io fifanoherana io !

Izany no fiantraikan’ny fanahiana sy ny tebiteby eo amintsika. Manajamba antsika izy ireo, manakana antsika tsy hieritreritra tsara ary mahatonga antsika hanadino ny zava-dehibe indrindra. Mety hitaraina amin’Ilay tiantsika hotompoina amin’ny fontsika manontolo mihitsy aza isika.

Ny mahatsikaiky amin’ity tantara ity dia ny hoe i Marta dia fantatra fa : mitebiteby sy sahirana araka ny Baiboly. Tsy fantatro ny momba anao, fa raha izaho dia tsy te ho voafaritra  amin’ny tantara toy izany! =)

Ry namako, aza avela hanarona ny fahatakaranao ny ahiahy sy ny olana eo amin’ny fiainana.

Anio, avia mitsahara eo anatrehan’I Jesosy tahaka ny nataon’i Maria. Ilaintsika ny fotoana miala amin’ny zava-misy iainantsika andavanandro mba hifandraisana lalina amin’Andriamanitra, mba handaminana ny fanahintsika.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!