🤫 Manginà…..

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤫 Manginà…..

“Manginà eo anatrehany, ry namako…”

Ity angamba no zavatra voalohany tokony ho renao anio.

“Manginà eo anatrehany…”

Rehefa nanontany an’Andriamanitra ny amin’ny tiany ho lazaina aminao amin’ity herinandro ity aho, dia nilatsaka teo amin’ity andininy ity ny masoko, izay tena manan-danja tokoa : “..Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!” (Habakoka 2.20)

Ry namako, raha mijery kely ny eo alohan’io andininy io isika dia hita fa tsy mifanaraka mihitsy. Satria i Habakoka dia mitaraina momba ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao sy ny hoe tsy te hifandray amin’Andriamanitra intsony ny olona… Mitaraina koa izy ny amin’ny fahanginan’Andriamanitra…

Ary ankoatra ny fahasahiranana teo amin’ny fiainany sy ny fahanginan’Andriamanitra, dia nandidy ny olona izy hoe : “Manginà”. Tena fahanginana izany ! Rehefa mivadika ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana, ary mainka fa mangina Andriamanitra, dia te-hitaraina isika hoe : “Aaaiiiza Ianao?”.

Hainao ve ny dikan’ny teny hoe “fahanginana” ry namako ? Eny, 

  • Tena hoe tsy misy feo mihitsy ! Mazava be izany…
  • Mba tsy hisy tabataba na kely aza (!)
  • …ka tsy tokony handre feo mikoropaka isika hoe : “Aaaiiiza Ianao?”
  • Tsy ankihetsika….Wouaah, mampientam-po…
  • Tsy ankihetsika… Vitanao ve izany ry namako ?

Inona izao no antom-bavakao ? Manantena aho fa efa nataonao antom-bavaka ny olanao ary tsy miezaka mamaha izany samirery ianao raha tsy mitodika amin’Andriamanitra.

Satria izay mihitsy no tian’Andriamanitra hitarihana anao anio. Makany Aminy !

Eo no hahitanao ny vahaolana amin’ny olanao, eo no hiova ho fifaliana vaovao ny alahelonao, ary eo ihany koa no hisy varavarana tsy ampoizina hisokatra ho an’io trangan-javatra tsy misy lalana io intsony.

Ary izany rehetra izany, tsy nila anao nihetsika teo akory…eny !

Rehefa mijanona ianao sady mitoetra amin’ny fahanginana, dia hihetsika ho anao Izy !

Ry namako, manginà fotsiny eo anatrehan’Andriamanitra anio fa hihetsika ho anao Izy !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!