🤝 Izay nomen’Andriamanitra anao!
Teneno amiko am-pahatsorana ry namako…
…. Misy zavatra nampanantenain’Andriamanitra anao ve ka hitanao fa olon-kafa no mitady hahazo izany?
Nisy ramatoa iray, vao tsy ela akory, nitantara tamiko fa naniry hatry ny ela hipetraka tao amin’ny trano anankiray izay, ary reny ankehitriny fa mitady mpividy ilay trano. Nampanantena ny hampifaly azy Andriamanitra.
Ary natao ho anao koa izany fampanantenana izany ry namako! Amin’ny alalan’ny ireo teny soratra masina vakianao, izay mifandraika tanteraka amin’ny fiainanao manokana. Raisintsika ohatra ny Salamo 84, izay mivaky toy izao manao hoe: “tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.” (Salamo 84:11)
Te hanome mihoatra anao Andriamanitra, fa mba hahafahanao miaina izany dia maneke ny ho tarihany!
Fantatro fa mety ho mihatsaravelatsihy izany, fa tsy izay anefa no tiako ambara.
Ry namako, misento fotsiny io ramatoa io nandritry ny herinandro maromaro mandinika ireo olona mifanesy mijery ilay trano. Fa ny tao an-tsainy dia tsy manana velively ny vola ho amin’izany izy.
Eo imasonao no tsy misy na inona na inona azo atao, fa eo Imasony dia tsy misy zavatra tsy hay hatao.
Nanapa-kevitra nanatona ilay mpivarotra ihany ilay ramatoa nony farany. Saingy efa tara loatra! Efa nisy olona namandrika ilay trano…
Manoloana ny zava-nisy sy ny fahatokiany ny amin’ny zavatra azon’Andriamanitra hatao, nahafinaritra an’ilay mpivarotra ny resaka nifanaovany tamin’ilay ramatoa ka dia nanapa-kevitra ny hanome azy ilay trano izy- sady tena tsy mampino ny fepetra nomen’ilay mpivarotra azy!
Ry namako, manoloana ny toe-javatra hitan’ny masonao sy ny ny fahatokiana an’Andriamanitra ny amin’ny zavatra hataony … dia mitoera mahatoky Azy ny amin’ izay zavatra efa nampanantenainy anao!
Inona izao no sakana manoloana anao ry namako?
“tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana izy” (Salamo 84:11)
Inona no hiainantsika rehefa mahatoky Azy isika ry namako?
“Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.” (Marka 10:27)
Amin’ny lafiny inona no hijoroanao am-pahatokiana anio, mba hahazoanao izay efa nomanin’Andriamanitra anao, na dia mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy manoloana anao?
Ry namako, te hampifaly anao Andriamanitra!