🤗 Ny mahasoa anao no tadiaviny

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤗 Ny mahasoa anao no tadiaviny

“Tena faly aho hoe naharitra aman-taonany maro ny aretinao !”

Izany mihitsy ve no nambarany ?

Niala tsiny ilay vehivavy iray raha namaly haingana loatra, teo am-pamaliana antso, kanefa notohizany hoe : “Raha ny marina dia izay mihitsy no tiako ambara. Fa satria ianao dia nizaka ny mafy nandritra izay taona maro rehetra izay, dia tsapako ankehitriny fa mbola misy fanantenana ho an’ny zanako vavy mararin’ny tsy fahampian-tsakafo !”

Teo koa no nahatsapako izay tiany ambara, ary eny tokoa, marina izany ! Raha toa ka tsy nandalo lalan-tsarotra sy feno korontana ara-tsakafo ny tenako, ankoatra ireo fitsapana tsy tambo isaina, dia tsy ho tahaka izao ny toerana nisy ahy ankehitriny. Mety tsy ho afaka nanao fizarana taminao akory aho tamin’ny alalan’ny “Fahagagana isan’andro !

Ry namako, mety mandalo lalan-tsarotra tahaka izany koa ianao, tsy misy fiafarana aminao. Dia manontany tena ianao avy eo hoe aiza ilay “Andriamanitra mitady izay mahasoa anao”?

Anaty Salamo, mahita isika hoe : “Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona izy rehetra.” (Salamo 84:7 -8)

Manome toky io Andriamanitra izay mitady ny hahasoa anao io fa hanampy anao ! Tiany aseho ihany koa fa misy fahagagana ao ambadiky ny ratranao rehetra !

Taona maro taty aoriana vao tena resy lahatra tanteraka aho hoe ny mahasoa ahy no nirian’Andriamanitra tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Izay no mahatonga ahy te hampahery anao fatratra sy hamporisika anao mba hihazona finoana, eny fa na dia anaty fahanginana aza ! Fa indrindra, tsy hoe noesorin’Andriamanitra niala avy tao amin’ny haizin-kitroka fotsiny aho, fa mbola nasandrany ihany koa !

Raha tsy teo amin’ny toerana nisy ahy ny omaly aho, dia tsy ho eo amin’izay tokony hisy ahy rahampitso koa. Dia tahak’izany ihany koa ho anao, ry namako ! Mahazo matoky tanteraka an’Andriamanitra Fitiavana ianao, izay mikatsaka mandrakariva ny sahaza ho anao – eny fa na dia amin’izao mahazo anao ankehitriny izao aza ! Avelany hitranga izao. Fa Izy irery ihany no hitarika anao mandrakariva !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!