🤗 Ampitomboy ny fahasambaranao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤗 Ampitomboy ny fahasambaranao !

Ny olona mahay mankasitraka no olona mahay mankafy fiainana sa tsy izany e?

Taona maro lasa izay, nisy fandinihana natao nahakasika ireo mpianatra eny amin’ny anjery manontolo izay nahafahana naneho tarehimarika ambony momba ny tahan’ny adin-tsaina. Notsinjaraina ho karazan’olona telo samihafa ireo, ny sasany nangatahinay mba hanoratra isa-maraina ao anaty diary izay zavatra mampalahelo manjo azy, ny hafa indray, izay zavatra tiany soratana, ary ny sisa kosa, dia mba handray an-tsoratra izay fotoana nankasitrahiny.

Vinanio ary ny valiny ! Ireo izay nasaina nanoratra ny fotoana izay nankasitrahiny dia nahatsapana fihenan’ny adin-tsaina sy ny fanahiana tena miavaka.

Ny fankasitrahana no mitondra fahasambarana ho antsika satria mahatonga saina antsika ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana ataony amintsika. Ny fankasitrahana ihany koa, dia ahafahantsika miverina miaina in-betsaka toy ny tamin’ny voalohany amin’ny antsipirihany, ny fahasambarana.

Noho izany, roa herinandro lasa izay, no nizarako naka fotoana isan’andro isaorana an’Andriamanitra amin’ny antsipirihan-javatra voafaritra maro: ny trano izay ipetrahanay, ny vadiko, ny zanako vavy sy ny zanako lahy, ny fitsangatsanganana taloha… eny na dia ny zavatra atao hoe tsy dia misy dikany toy ny nahafahako nividy jiro ho an’ny efitranoko aza.

Ny Baiboly milaza hoe : “Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.”(1 Tesaloniana 5:18).

Eny, ry namako, ny sitrapon’Andriamanitra tena lavorary ho anao sy izaho dia ny fankasitrahantsika amin’ny ZAVATRA REHETRA ! Ny fankasitrahana dia mampitombo : arakaraky ny isaoranao an’Andriamanitra sy ny hafa, no ankafizanao ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainana, dia mitombo araka izay ny fifaliana, ny fiadanana, ny fitahiana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!