🤕 Sitrano ny ratranao anio!
Efa nisy fotoana ve ianao niezaka mafy nanafina zavatra iray?
Tsaroako indray andro nandeha nanao baolina kitra niaraka tamin’ireo namako tany am-piangonana aho, taona maro lasa izay. Nanao hadisoana aho fa nanao kiraro tsy mitovy, ary mazava ho azy, fa rehefa tonga tany an-trano aho dia simba ny tongotro!
Nahatsapa fanaintaina teo amin’ny tongotro aho, ary rehefa nijery aho dia hitako fa nisy ratra ny tongotro noho ny fikasokasohana. Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nanasa tsara ny tongotro aho ary nanadio azy ireo tsara.
Nanaintaina be ahy ilay izy, fa taorian’izay dia nahatsiaro tena ho nihatsara aho! Afaka naka aina ihany aho tamin’ny farany, indrindra rehefa nanao kiraro sy kapa vaovao : nahazo aina tanteraka!
Amin’ny maha-olombelona antsika dia miezaka manafina ny olana na ny fahadisoantsika isika. Tsy te hiatrika azy ireo isika, ary tsy tiantsika ho fantatry ny hafa fa manana azy ireo isika.
Izany dia mampahazo vahana ny haizina sy fahavalo eo amin’ny fiainantsika : ny fanandevozana mba hiaina amin’ny endrika diso, amin’ny lainga. Matahotra ny holavina isika raha fantatry ny hafa hoe iza marina isika, indrindra fa ireo tena tiantsika.
Ry namako, tonga ny fotoana hametrahana izany eo amin’ny mazava ! Tsy araka izay fomba rehetra anefa, fa amin’ny fahendrena… eny, izao ny fotoana hanadiovana sy hanitsiana ireo lafim-piainanao ireo.
Milaza ny Baiboly fa “Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava” ( Efesiana 5:13 ).
Avelao ny fahazavan’Andriamanitra hanazava ny tenanao manontolo. Eny, marina tokoa, indraindray manindrona be izany, saingy mahatsiaro ho maivana kokoa ianao avy eo! =)