🤔Mitsoaka anao ve Andriamanitra ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤔Mitsoaka anao ve Andriamanitra ?

Ianao o irery ve no TSY RESAHAN’Andriamanitra ?”

Nirotsaka aoka izany ny ranomason’ity ramatoa iray rehefa nanatrika ny fotoam-bavaka ny alahady taorian’ny hetsika « Fahagagana isan’andro » voalohany natao tany Alemaina. 

« Rehefa teo afovoan’ny vahoaka aho, dia afaka nanatri-maso ny asan’ny Fanahy Masina niseho tamin-kery nanodidina ahy. Kanefa toa adino aho ary toa nivily nanodidina lavitra ahy Izy… »

Efa nanana izany fahatsapana izany ve ianao ry namako ?

I Habakôka dia mpaminany nefa tena nahalala tsara izany fahatsapana izany ! Ny mpaminany dia tokony ho naheno an’Andriamanitra niteny taminy !

Kanefa dia niaina izany fahanginana izany izy (ilay fahanginana izay te handresy lahatra antsika hoe mitsoaka antsika Andriamanitra !). “ Jehovah Ă´, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany !” (Hoka 1:2)

Aoka isika hilaza ny marina ry namako fa vitsy ny olona hamaly avy hatrany hoe « eny, mazava ho azy fa mahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra mandrakariva aho ary amin’ny fotoana rehetra ! »

Nandritra io hetsika « Fahagagana isan’andro » voalohany tany Alemaina io dia miaiky aho fa nahatsapa ny Fanahy Masina tamin’ny fomba tsy nitranga efa ela ! Izany mihitsy « toy ny tany aloha ela be ». Satria na izaho koa aza dia tsy hoe mahatsapa avy hatrany ny fanatrehan’Andriamanitra raha vao mifoha maraina !

Tsia, tsy mahatsapa izany eo no eo aho saingy hetsehiko eo no eo kosa ny finoako sy ny fatokisako an’Andriamanitra satria mihoatra noho ny fahetseham-po izany ! Aza miandry fihetseham-po vao hino Azy !

Ry namako, ny bokin’i Habakoka dia manomboka amin’ny « Tsy nohenoina aho ». Ary mety ho io ny teboka nijanonan’ny fiainanao amin’izao fotoana izao.

Fa fantatrao ve ny fiafaran’ny bokin’i Habakoka ?

“Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:18) Naka fanapahan-kevitra ny hifaly i Habakoka !

Ary tsy mijanona hatreo ny tantara ! Taorian’izay dia nanome azy izay tena nilainy Andriamanitra : “Jehovah Tompo no tanjako !” (Habakoka 3:19).

Manome anao izay tena ilainao toy izany koa Andriamanitra ary mihoatra lavitra noho ny fihetseham-po izany ! Ry namako, aza miandry fihetseham-po fa avelao Andriamanitra hiasa amin-kery !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!