🤔Inona no tao an-tsaiko ?
Efa mba natahotra ve ianao, rehefa ilay mandeha any amin’ny toera-pivoahana amin’ny alina ? =)
Tadidiko mpahazo ahy matetika izany fony aho mbola kely. Tamin’ireny fotoana ireny dia, nihazakazaka nakany amin’ny toeram-pidiovana aho, niezaka ny tsy nitaredretra aho, fa maika ny hiverina farak’izay aingana tany amin’ny efitrano fatoriako. Ny tena nampiomehy tao anatin’izany anefa, dia raha toa aho ka taferitreritra zavatra hafa – eo anelanelan’ny lalana manjohy ny efitranoko sy ny trano fidiovana – dia nanjavona ho azy ny fanahiako. Izany hoe, namelona ny tahotra tao anatiko ny eritreritro raha mifantoka amin’ny haizina aho. Kanefa dia manjavona ho azy tampoka ilay olana rehefa mifantoka amin’ny zavatra hafa aho.
Ry namako, indraindray isika dia mieritreritra be loatra ny fatotra sy ny fahotantsika. Rehefa manao izany isika dia mampitombo ny olana, mifantoka aminy ary dia manadino ny vahaolana izay efa nomanin’Andriamanitra ho antsika.
Ny Baiboly milaza : “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany” (Kolosiana3:5). Izaho manokana dia tia ity fomba ilazany azy hafa ity : “Miainà toy ny olona efa maty amin’ny fahotana rehetra” (Kolosiana 3:5).
Tena marina izany! Ianao koa, mety hoe mitolona amina fahotana sasany amin’io lisitra io – na mety hafa mihitsy – dia mihevitra ianao hoe efa resy amin’ilay ady. Kanefa fantatrao ve hoe ahoana ny fomba hamonoanao izany fatotra izany ao aminao ? Mila manodina ny maso amin’ireny fatotra ireny fotsiny ianao. Aza manome lanja azy intsony amin’izay dia tsy mampitombo azy izany. Mifanohitra amin’izany, ataovy toy ny efa afaka ianao, satria raha ny tena izy, dia izay no marina. Efa nafahin’i Jesosy ianao : tonga ny fotoana andehananao amin’izany fahafahana izany !
Hiaraka hivavaka isika : “Tompo o, misaotra Anao aho, fa ao Aminao, dia manana fahefana ny hamono izay rehetra manandevo ahy aho ary handeha amin’ny maha olona afaka ahy tanteraka. Misaotra Tompo ny amin’ny fanafahanao ! Te ifantoka Aminao isan’andro aho, ary hiaina ny fanafahana tonga lafatra izay nomenao ahy. Hasandratra eo amin’ny fiainako anie ny anaranao ! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen !
Anio, iaino tanteraka ny fahafahana sarobidy izay omen’ny Tompo anao.