🤔 Ny lojikan’Andriamanitra
Ny lojikan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny lojikan’ny ety amin’izao tontolo izao.
Jereo izay nolazain’i Jesosy an’ireo Mpianany : “Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana. Fa ny jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.” (Lioka 12:29-31).
Jereo ny lojikan’ny Fanjakan’ny lanitra :
- Aza manahy ary aza manary toky amin’izay tokony hohaninao na sotroinao : mety hoe any anaty fonao lalina any, misy hiaka miakatra miteny hoe : “ Fa Jesosy a, ahoana no ahafahako hoe tsy hanahy, raha tsy ho tody hatramin’ny faran’ny volana ?” Indraindray, tsy maintsy mandalo toe-javatra manahirana isika, kanefa raha tena avy amin’ny fonao tokoa, dia ho itanao amin’ny farany fa, ny fanahiana, ny tebiteby sy ireny karazana fihetsem-po ratsy ireny dia tsy manampy anao velively ahitanao vahaolana. Mifanohitra amin’izany aza, vao may manajamba antsika ireny fihetsem-po ireny ary manakana antsika tsy ahita ny zava-marina, ka noho izany, atao inona ?
- Aza manao toy ny fanaon’izao tontolo izao : Ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra dia mifantoka amin’ny izay ahafahany miaina na koa ny fotoana tsara indrindra afaka iainany. Tsy mbola nanandrana mihitsy ny loharanon’aina avy amin’Andriamanitra izy ireny, na koa nanandrana ny tena atao hoe fiainana.
- Efa fantatr’Andriamanitra izay ilainao : Akipio ny maso dia saino fotoana fohy ity teny fampanantenana mahagaga ity : fantany manokana ianao. Fantany hoe inona ny zavatra ilainao ary te hanome anao izany Izy.
- Katsaho ny Fanjakan’Andriamanitra dia avelao Izy hanao fahagagana eo amin’ny fiainanao : avelao aloha ireo olanao dia tadiavo Andriamanitra sy ny Fanjakany amin’ny fonao manontolo. Inona ny zavatra ilainao ? Mangataha fahendrena Aminy ahafahanao mandray ny fanapahan-kevitra mety, mamolaha tena hankato ny didiny ary avelao ho eo an-tanany ny zavatra rehetra. Mikarakara anao Izy !
Ry namako, rehefa manome laharam-pahamehana ny Fanjakan’Andriamanitra ianao eo amin’ny fiainanao, dia milamina ho azy ny zavatra rehetra ambiny. Ary izay ambarako aminao ao anatin’ity hafatra ity, dia ambarako amin’ny tenako ihany koa.
Fotoana izao, hanomezana laharam-pahamehana izay tena manan-danja, no sady mandray ny andraikitra sahaza ny tenantsika. Fotoana izao hanomezana laharam-pahamehana ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.