🤔 Nahoana no mamotsitra ianao?
Misy zavatra manjo antsika matetika… “Mahafoy ny fiadanana isika !”
Fa izany indrindra no irariantsika mba tsy hitranga amin’ny hoavy, sa tsy izany ry namako ?
Rehefa sendra tsy salama ianao, ohatra, ka mila fanafody, dia milaza izao aminao matetika ny dokotera hoe “tsy azo atelina amin’ny kibo noana”.
Dia tahaka izany koa, tsy maintsy miaro tena ianao, mikendry ny mba tsy hitelina ireo olana sy ahiahy isan’andro, amin’ny kibo noana. Ny fototra hijoroana tena ilainao fatratra dia ny manomboka ny tontolo andronao miaraka amin’Andriamanitra.
Ataoko fa efa imbetsaka ihany izay no nanoroan’ny olona anao izany, ary araka ny toetranao dia mety ho mora, na ho sarotra ny hanatanteraka izany.
Ka izay no mahatonga ahy te hampahafantatra anao ny fomba fiasako. Misy efitra iray tsy andrenesam-peo izay ao an-tranoko, izay fandraketako feo ho an’ny “Fahagagana Isan’andro”.
Isaky ny miditra ao amin’io efitra io aho, dia tahaka ny mitampina ny sofiko, ary mahafinaritra ahy ery izany :
Mitampina tsy mandre ny kotaban’izao tontolo izao ary misokatra kosa ho an’izay tian’Andriamanitra ambara amiko !
Rehefa manongilan-tsofina ianao ho amin’izay tian’Andriamanitra ambara aminao, dia amin’ny fomba miavaka no hiatrehinao ny tontolo andronao. Ao amin’io efitra io no iantombohan’ny tontolo androko. Ao no isaorako an’Andriamanitra ny zava-bitany rehetra. Ao ihany koa aho no mivavaka ho ANAO ry namako ary indraindray ary moa dia kotsa-dranomaso mihitsy, satria tsy azoko izao tontolo izao… fa inona no zava-misy?
Indraindray, maka toerana aho manoloana ny Baiboly, ary mangataka amin’Andriamanitra mba hanome ahy andininy iray izay entiko hamakivakiana ny tontolo androko.
Rehefa mivoaka avy tao amin’ilay efitra aho dia mahatsiaro tahaka ny niova sy nohavaozin’ilay fiadanana, izay tsy hita na aiza na aiza afa-tsy amin’ny alalan’ny fisian’Andriamanitra!
“Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesoa.” (Filipiana 4:6 -7)
Ry namako, aza mamositra ny fiadanana tian’Andriamanitra atolotra anao !