🤔 Matahotra ve ianao?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤔 Matahotra ve ianao?

Tena faly aho hanomboka herinandro vaovao miaraka aminao indray. Ary tsy andriko ny hiaina izany satria mandritry ny andro manaraka, dia hiresaka momba ny iray amin’ireo olana izay mahakasika antsika matetika isika (izay indraindray tsy azontsika an-tsaina akory) dia ny fampitahorana.

Maro ny zavatra mety hampatahotra antsika amin’izao fiainana izao : ny olona, ny toe-javatra hiainantsika, ny aretina, ny ho avy, ary izay mety ho fiheveran’ny hafa antsika…

Ny iray amin’ireo tantara ratsy indrindra momba ny fampitahorana ao amin’ny Baiboly dia ny tantaran’i Goliata niatrika ny vahoakan’ny Isiraely. Milaza ny Baiboly fa nivoaka isa-maraina i Goliata miantsy ady ny tafik’Israely, nefa tsy nisy sahy namaly ny fanarabiany.

Raha ny marina, ny Baiboly dia milaza fa « Ary raha ren’i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin’ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.» (I Samoela 17 :11)

Eny, misy toe-javatra izay mameno tahotra antsika. Toa lehibe sy masiaka tokoa ireo Goliata manafika antsika, ka toa tsy afaka manao na inona na inona afa-tsy ny mijery lavitra fotsiny isika.

Tsy noforonin’Andriamanitra mba hiaina toy izany anefa isika ! “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. » ( II Timoty 1:7 ).

Nanana izany fanahy izany i Davida. Izany no tsy nahavoatana azy rehefa nankany amin’ny tobin’ny Isiraely izy ka nahita fa tsy nisy namaly ny fandrahonan’ilay goavambe. Tsy afaka hitohy intsony izany toe-javatra izany !

Raha mahatsiaro matahotra koa ianao amin’ny lafiny sasany eo amin’ny fiainanao, dia mila miova izany ! Tian’Andriamanitra hiaina fiainana feno ianao, feno tanjona sy fahafahana ; fiainana tsy ahafahan’ny tahotra mifehy anao.

Ry namako, ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy misy tahotra mahasakana anao tsy hahatratra ny tanjona sy ny nofinofy izay narotsak’Andriamanitra tao am-ponao? Ho be voninahitra ny fiainanao !

Mandritra ny andro manaraka dia handalina misimisy kokoa ity tantara ara-Baiboly ity isika ary hampifandray izany amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa ao amin’ny Baiboly, mba hanampiana anao hamantatra ny fototry ny fampitahorana izay hatrehanao.

Amin’ity herinandro ity dia hiaina fanafahana lehibe ianao! =)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!