🤔 Manakorontana ny programanao ve Andriamanitra ?
« Tsy nampoizina ity » …
Io no eritreritra nahazo ahy rehefa navilin’ny GPS tampoka tany amina lalana izay tsy mitovy amin’ny falehako mahazatra aho rehefa mody.
Tamin’io andro io dia nalefan’ny GPS, izay fampiasako mahazatra, tamina lalan-kafa aho.
Diso fanantenana aho sady nieritreritra hoe : “Te hisotro ilay kafe tiako anie aho e” ! Nampamakivaky ahy toerana izay tsy mbola fantatro anefa ity lalana ity ary tsy nitsahatra nitalanjona aho nanjohy azy : “Tsara loatra ny aty!”
Ny iray tamin’ireo namako, izay narary, koa dia nangataka ny mba hitondrako zavatra iray izay sarotra hita… Ary indro fa teo anoloako ilay fivarotana izay notadiaviko ! Woah ! Izaho koa efa ela no naniry hividy haingontrano ka inona ity hitako ? Mpivarotra roa nanome safidy mahafinaritra !
Mety ho toa « tsy misy dikany » izany raha henoina ry namako saingy tena feno dikany ho ahy tamin’izany fotoana izany.
Indraindray Andriamanitra dia mitondra anao amin’ny lalan-kafa mba hanehoana aminao fa misy « zavatra hafa » ihany koa.
Raha niteny nivantana tamiko Izy hoe : “Mandalova any Alemana hoe androany”, dia azoko antoka ho namaly aho hoe : “Ka manana programa hividy kafe any Soisy anie aho e !”. Ary mety hoy Andriamanitra hoe : « Indrisy, nanomana zavatra tsara be ho anao anefa Aho tamin’ilay lalana iray…” !
“Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.” (Ohabolana 16.9)
Ry namako, vonona ve ianao ny hamela an’Andriamanitra hitondra ny dianao ao anatin’ity herinandro ity ? Vonona ny hatoky Azy tanteraka ve ianao na dia toa hafa amin’ny lalana noeritreretinao arahina aza izany ?
Aza adino fa ilay Andriamanitra « …izay mahita anao » (Genesisy 16:13) dia Andriamanitra mikatsaka mandrakariva ny tsara ho anao – eny fa na dia amin’izao vanim-potoana izao aza !
Hotahian’Andriamanitra anie ianao ry namako !