🤔 Mahafaly anao ve izao fifandirana izao?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤔 Mahafaly anao ve izao fifandirana izao?

“…Ho faty ianao!” (Genesisy 20.3) Fa ahoana? Inona no nataoko? Tsy maintsy toy izany izao no fanontaniana tao andohan’i Abimeleka Mpanjaka!

Vao avy nanambady an’i Saraha izy, tovovavy tsara tarehy, no indro niseho taminy tanaty nofy Andriamanitra ary nilaza ireo teny ireo taminy…(Alaivo sary an-tsaina anie izany tranga izany e)!

“Indro fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao,fa vadin’olona izy.” (Genesisy 20.3b).

Saingy tsy nahalala na inona na inona momba izany izy! Satria Abrahama, izay nanambady an’i Saraha, dia tsy nilaza izany taminy. Fifanarahana nataon’izy mivady samirery izany mba hahazoana ny fiarovan’ny mpanjaka eo amin’ny firenena izay tsy mbola fantatr’izy ireo.

Toe-javatra sarotra re izany! Raha tsy olombelona tsy hanao zavatra toy izany! Gaga be aho namaky ny tohiny hoe: “Tsy mbola nikasika azy i Abimeleka.” (Genesisy 20.4)

Tena tsy mampino, voalaza ao amin’ny Baiboly fa vehivavy tsara tarehy i Saraha, nalain’i Abimeleka ho vadiny nefa tsy mbola nokasihany akory? Ahoana no hanazavana izany toe-javatra izany, ry namana?  

Eny, na dia eo aza ny adalantsika matetika, sy ny fanapahan-kevitra diso raisintsika, kanefa tsy miala amin’Andriamanitra isika, fa mifikitra Aminy amim-pahatokiana, dia mbola hikarakara antsika amin’ny fahasoavany tsy manam-petra Izy… fahasoavana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra :

“Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory..” (Hebreo 4.16)

Io fampanantenan’Andriamanitra io dia voamarina tamin’io toe-javatra sarotra nanjo an’i Abimeleka io, izay tsy hay hazavaina ny antony mbola tsy nikasihany an’i Saraha.

Ny tohin’ny resaka nifanaovan’i Abimeleka sy Andriamanitra dia manazava amintsika ny fomba nitrangan’io fahagagana io: “Tamin’ny fahatsoran’ny foko sy tamin’ny saina madio no nanaovako izany”, hoy izy. “Fantatro izany”, hoy Andriamanitra namaly azy tamin’ny nofy, “ary Izaho no nisakana anao mba tsy hanota tamiko. Izany no tsy namelako anao hikasika an’io vehivavy io.” (avy amin’ny Genesisy 20.5-6)

Tena mahay Andriamanitra! Azo inoana fa nahodin’Andriamanitra ny sain’ i Abimeleka mba hahatonga azy ho repotra tanteraka sy ho variana amin’ny zavatra hafa! Azo antoka fa nahatezitra azy izany… fa tsapanao amin’izay ve ny nahatonga an’ireo fanelingelenana ireo, ry namako? Nanakana azy tsy hanao fahadisoana lehibe izany rehetra izany.

Inona no zavatra mahatezitra anao amin’izao? Inona no mahavariana anao? Ilay jiro tapaka lava? Ilay rano tsy mandeha na misy fa hilaharana be na lafo be?

Mety misy fiarovana tsy ampoizina miafina ao ambadik’io fahatezeranao tsy noeritreretina io?

Matokia Azy, ry namako. Matokia Azy!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!