🤔 Inona no fikasanao?
Fantatrao ve ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainanao?
Tadidiko ilay andro nihaonako tamin’ny vadiko, voalohany indrindra. Efa nifankahalala volana vitsivitsy izahay.
Fanomezana tsara be avy amin’Andriamanitra hoe afaka niaraka tany Etazonia nandritra ny roa herinandro manaraka! Tsy fantatray hoe rahoviana izahay no hihaona indray na hanao ahoana ny fandehan’ny zava-drehetra ho anay, fa natoky izahay fa momba anay Andriamanitra. Ary nisaotra Azy mandrakariva izahay amin’izay lalana hosokafany ho anay. Nirehitra ny fonay hiara-mankatò Azy, sy hahita ny tanany miasa! Ary izany indrindra no nitranga: Andriamanitra dia nanokatra lalana izay toa tsy ho vita mihitsy. Marina fa naharitra ela kokoa noho izay noeritreretinay izany ary tsy maintsy niady tamin’ny fahoriana izahay… Kanefa ny Tompo dia nahatanteraka ny nofinofin’ny fonay lalina indrindra tamin’ny fotoany.
Hoy ny Baiboly: “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.”(Jeremia 29:11). Efa fantatr’Andriamanitra ny fikasany ho an’ny fiainanao, ary tena drafitra tsara dia tsara tokoa izany: tiany homena anao izay irinao lalina ao am-ponao.
Ny faharetanao sy ny fankatoavanao dia mamela ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainanao ho tanteraka. Na dia eo aza ny fahasahiranana na rehefa toa miharatsy ny toe-javatra, aza kivy! Afaka mahita fahagagana mahatalanjona eo amin’ny fiainanao ianao rehefa manaiky an’Andriamanitra amin’ny fankatoavana sy ny faharetana ny fonao.
Tohizo! Aza miala! Ampahatsiahivo ny tenanao isan’andro fa fahagagana ianao.