🤔 Ah, ity fanahiana miafina ity…
Fantatrao ve ny zavatra tsikaritro vao haingana raha nivavaka ho an’ny namako aho?
Rehefa mangataka zavatra iray amin’Andriamanitra aho, dia matetika tsy matoky loatra aho ao anatiko ao fa mihaino ahy Izy. Manahy aho hoe tsy hamaly ahy Izy, satria toa tsy mendrika aho !
Raha ny marina, tsy voatery lazaiko aminao akory, fa fantatrao tsara hoe manana fisalasalana toy izany foana ianao ao anatinao ao ! Fantatrao ve anefa fa mampidi-doza izany fisalasalana izany ?
Eny tokoa, na dia mbola misalasala aza ianao fa tena te hamaly anao Andriamanitra, ary “tsaratsara ihany” ianao eo Aminy, Izy kosa efa nanao ny safidiny hatry ny ela, ny hitia anao amin’ny fitiavana izay mamela ny helokao rehetra ! Te hitondra anao lavidavitra kokoa Izy. Te hiasa amin’ny nofinofinao Izy – sy ny Azy – ho an’ny fiainanao.
Ny fisalasalana dia handany ny fotoananao izay sarobidy. Inona no ambaran’ny Jaona 10.10 ? “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana.” Izany indrindra no mitranga raha toa ka mijanona ianao …
Aza avela haka ireo asan’Andriamanitra ao anatinao ny fisalasalana, ho fanatanterahana ny nofiny.
Lehilahy be fisalasalana koa i Gideona. Nambaran’Andriamanitra taminy ny nofiny dia ny hanafaka ny Isiraely amin’ny alalany. Ary na dia teo aza ny fampanantenana nomena azy hoe : “Homba anao Aho” sy “Hamely ny Midianita ianao” (Mpitsara 6.16), dia namaly i Gideona sady niahiahy hoe : “Masìna Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko?” (Mpitsara 6.17).
“Fa ahoana aza ?”, hoy angamba Andriamanitra : “Maniraka ny iray amin’ireo anjeliko tsara indrindra any aminao Aho mba hilaza aminao manokana, dia mbola manontany tena ihany ve ianao hoe, mihaino anao ve Aho?”
Andriamanitra dia te-hanangana ireo izay nofafan’ny fisalasalanao !
Inona no ho fanapahan-kevitrao anio ry namako ? Fantatrao tokoa fa nisy zavatra napetrak’Andriamanitra tao am-ponao, ary manontany tena ianao hoe tena izany tokoa ve no tiany holazaina aminao, ary tena mahavita an’izany ve ianao ?
Zava-dehibe ny fanapahan-kevitra tsara, satria zava-dehibe ny nofinao !