🤓 Resy lahatra tanteraka ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤓 Resy lahatra tanteraka ve ianao ?

Manantena aho fa nandritra izay andro vitsivitsy izay, dia afaka nitombo ianao amin’ny fomba finoanao ka nianatra tsaratsara kokoa ny fiandrasana ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy misy isalasalana fa maniry ny hanatanteraka azy rehetra ireny Andriamanitra. 

Omaly dia nahita isika fa ny finoana ny fampanantenan’Andriamanitra dia miseho amin’ny alalan’ny « faharesen-dahatra tanteraka » ao anaty fa ho tanteraka tahaka ny an’i Abrahama koa izany.

Manontany tena angamba ianao izao hoe : “Ahoana ny fomba haharesy lahatra ahy tanteraka ?” 

Raha misy miteny aminao hoe volomboasary ny lanitra dia hanana fisalasalana tampoka ve ianao ? Mety hieritreritra ve ianao fa tsy nahazo tsara ny loko tany an-tsekoly na koa manana olana ara-pahitana ?

Azoko antoka fa tsy hanontany tena toy izany ianao. Hiteny fotsiny ianao hoe diso ilay olona fa tsy hisalasala na dia iray segondra monja aza hoe tena manga tokoa ny lanitra. Nahoana ? Satria efa resy lahatra tanteraka ianao fa manga ny lanitra. 

I Abrahama dia tsy nanana fanantenana kely fotsiny hoe ho tanteraka tokoa ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy niezaka nandresy lahatra ny tenany tamin’ny fomba rehetra ihany koa izy, tamin’ny alalan’ny fandevenana ireo fisalasalany lalina indrindra sy ny fampiasany teny miabo ! 

Tsia. Natoky tanteraka Ilay nampanantena azy i Abrahama, fa hiteraka zazalahy izy, satria efa nahita azy nanao fahagagana tamin’ny lasa. Fantany fa Ilay nanao ireo fahagagana ireo tamin’ny lasa, dia hanatanteraka ihany koa ny Fampanantenany, tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy misy hanampiana, tsy misy hanalana. Tsy misy adihevitra.

Izany no asan’ny finoana marina ao anatintsika : mahatonga antsika ho resy lahatra tanteraka amin’ny fampanantenan’Andriamanitra izy.

  • Tsy manan-danja izay hitan’ny masontsika na lazain’ny saintsika.
  • Tsy maninona na toa tsy azo tanterahina aza ilay toe-javatra.
  • Mitoetra feno ny “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7) ny fontsika, satria fantatsika any anatintsika lalina any fa hahita an’Andriamanitra hiasa isika.

Ry namako, anio no andro tokony hanetsehanao ny finoanao. Ireto misy dingana roa hanampy anao amin’izany :

  • Miresaha amim-pahatsorana amin’Andriamanitra, ary ambarao Aminy ny fitiavanao te-hitombo amin’ny finoana sy ireo fisalasalana izay mampalemy anao.
  • Manapaha hevitra ny hifikitra amin’ireo fampanantenan’ny Baiboly, ary manomboha manambara izany amin’ny feo avo sy amin’ny fahasahiana mandritra ny fotoam-bavakao.
0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!