🤓 Ovao ny fomba fisainanao…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤓 Ovao ny fomba fisainanao…

Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainantsika ny eritreritsika.

Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, ny Baiboly dia manazava fa ny mpitrosa dia olona manana fitondran-tena tahaka izay. Ity   andalana Soratra Masina ity dia milaza toy izao : “Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany.” (Ohabolana 23:7).

Raha ny marina, inona no tiana ho lazainy eto ? Araka ny voasotra eto dia milaza fa ny fitondran-tenany sy ny faharatsian’ny fony dia samy vokatry ny  eritreriny lalina sy ny fomba fisainany.

Noho izany, raha manova ny fomba fisainany izy, dia mety tsy ho tia vola intsony, ary mety hanova ny fiainany manontolo ! Waouuhh!

Ry namako, ahoana no mety ho fiovan’ny fiainanao raha afaka manova ny fomba fisainanao ianao ?

Tena azo inoana fa ny ankamaroan’ny zavatra ratsy eo amin’ny fiainanao, izay tianao hialana, dia vokatry ny fieritreretana diso izay hifikiranao.

Mino marina aho fa isika rehetra dia samy manana eritreritra ratsy isan-karazany, ary ny ankamaroany. dia efa nifikirantsika nandritra ny fotoana ela tao an-tsaintsika tao, ka lasa tsy tonga saina intsony isika.

Kanefa tena misy ireo fisainana ratsy ireo, ary ampiasain’ny fahavalo izy ireo toy ny soavaly iray matanjaka mba hinoantsika lainga momba ny tenantsika : hahatonga antsika hanambany ny tenantsika, hampahalemy antsika, hampitahorana antsika, hamitahana antsika, hahatonga antsika hahatsiaro tena ho meloka, mba hahatonga antsika hino fa tsy misy ilana antsika ary tsy mahavita n’inona n’inona isika, ary zavatra 50.000 maro hafa koa…

Manana vaovao tsara aho, ry namako : afaka manadio ny fisainantsika Andriamanitra ! Manana hery hamantatra ny eritreritsika isika, hanova ny fomba fisainantsika, ka hanova ny fiainantsika manontolo.

Hoy ny Baiboly: “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany .” (Filipiana 4:8).

Eny, ry namako, afaka misafidy izay tinao eritreretina  ianao ! Mandritra ity herinandro ity dia te hanampy anao aho hanova ny fomba fisainanao, ary noho izany, dia hanova ny fiainanao manontolo mihintsy.

Mino aho fa hisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao ny fanambaran’ny Tenin’Andriamanitra ! =)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!