🤓 Ampiharo izay zava-pantatrao !
Raha ny fiheveranao ny tenanao dia mirona kokoa amin’ny hetsika sa ny eritreritra ianao ?
Nahafinaritra ahy foana hatramin’izay ny mandamina sy mandahatra ny zavatra rehetra ato an-dohako, fa ny zavatra voaraiko tamin’izaho nilalao “Overcooked”Xbox niaraka tamin’ny vadiko dia ny lanjan’ny traikefa. Isaky ny dingana manaraka, mety lany fotoana fotsiny aho misaina sy mikajy, nefa amin’ny farany, ny mampandroso haingana dia ny mandeha tsotra fotsiny ary miezaka manitsy izay tsy mety rehetra miandalana eny. Hahatonga antsika ho mahomby kokoa izany. Saina kinga, fifandraisana mazava ary kotrana maromaro : ireo no fanalahidy.
Nanohina ahy foana ny mieritreritra hoe naniraka ny mpianany hitory Filazantsara sy hanao zava-mahagaga I Jesosy, nefa izy ireo dia tena tsy ampy fahamatorana (Lioka 9:1-2). Raha amin’ny fijerin’olombelona, hendry kokoa raha nampiofanina manokana izy ireo ny amin’izay ampianarina azy, izay vao mandeha mampihatra izany. Fa miantso antsika Andriamanitra ary manosika antsika handeha am-pinoana am-boalohany, sady mianatra eo am-pandehanana.
Mahita fanalahidy roa isika momba ny fomba fitondrana :
- Voalohany, tsy tokony hiandry ho tonga lafatra isika vao hanao hetsika. Raha tsy izany tsy hahavita na inona na inona! Tanteraho anio izay azonao atao tsy amin-tahotra, ary miezaha manitsy izay diso.
- Faharoa, tsy maintsy matoky sy manome sehatra ho an’ny hafa isika. Na dia fantatrao fa tsy mbola tena vonona sy mety hanao hadisoana aza izy ireo, ny manome sehatra azy dia fanomezana tsara ho azy (sady mikajy izay mety ho indro kely, mazava ho azy). Sady hahafaly azy ireo izany no hanampy azy mba hivoatra!
Ry namako, ampiharo izay zava-pantatrao ary ampianaro ny hafa koa izany! Tsarovy ihany koa ity andininy iray izay efa hitantsika ity hoe :”Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao…” (Mpitoriteny 9:10). Amen!