🤍 Aza avela hisy hanakana anao !
Iray amin’ireo tahotra lehibe indrindra ananan’ny olona, dia ny tahotry ny “inona no holazain’ny hafa ?”, izay tahotra ny tsy hahazo fankatoavana avy amin’ireo akaiky azy sy ireo manodidina azy. Mahatsapa karazana tahotra toy izany matetika ve ianao ?
Izany karazana tahotra izany, toy ny tahotra rehetra mety ho tsapantsika, dia natao hahatonga antsika hanadino ny tanjona namoronana antsika. Noho ny tahotry ny zavatra mety hiseho, na amin’izay fotoana izay, tahotry ny mety eritreretin’ny hafa na teneniny momba antsika, dia miezaka manakana antsika ny fahavalo mba tsy hamiratra sy tsy hanao izay apetrak’Andriamanitra ao am-pontsika isika.
Iray amin’ireo zavatra tena manentana ahy indrindra momba an’i Jesosy ny hoe Izy afaka tanteraka tamin’izany tahotra izany. Raha tsy maintsy manao izany Izy, dia tsy hisalasala mihitsy hanatona olona hiresaka amin’izy ireo, hivavaka ho an’ny olona heverina ho “maloto” tamin’izany fotoana izany, na hiara-misakafo aminy mihitsy aza. Ary izany, na inona na inona lazain’ny Fariseo, ny mpanora-dalĂ na, na ny olon-kafa.
Mankahery antsika ny Baiboly hanao hatrany ny zavatra « .. amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, ka manĂ na fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo » (1 Petera 3:15-16).
Marina izany, tsy afaka manakana ny olona tsy hiresaka momba antsika isika. Saingy afaka manapa-kevitra ny hanafaka ny tenantsika amin’ny tebiteby sy ny tahotra isika, mba handehanantsika amin’izay iantsoan’Andriamanitra antsika, amin’ny feon’ny fieritreretana tsara.
Ry namako, aza avela hanakana anao ny tahotry ny fifosana. Nohariana ianao mba hamiratra amin’ny Fahazavan’Andriamanitra, noho izany mamirà ta, ary hasoavy ireo rehetra azonao hasoavina !