🛡Atreho ireo goavambe anao !
Mino aho fa amin’ity herinandro ity Andriamanitra dia hanampy anao ho lasa ilay olona izay efa nirinao hatrizay ho ianao, ilay afaka amin’ny tahotra. Ary, mino koa aho, fa hanampy ahy ho amin’izany ihany koa Andriamanitra ! =)
Efa hitantsika ny maha zava-dehibe ny :
- Mametraka izay mampatahotra antsika eo an-tongotr’Andriamanitra. Mba tsy ho voafitaky ny laingan’ny fahavalo, izay manao izay mampihisatra antsika.
- Manomboka manao dingan’ny finoana makany amin’ny fahafahantsika, mety hoe kely, fa mitovy foana, dieny anio.
Anio, dia te hampahafantatra anao fanalahidy iray hafa aho, izay notsongaina tao amin’ny fiainan’i Davida, ary miompana amin’ny tsy fahatahorana miatrika izay mampatahotra anao.
Ny tena marina, Davida tsy nandeha tany an-tsahan’ady satria hoe efa vonona ny hamono an’i Goliata. Fa mialohan’ny namonony azy, dia tsy maintsy niatrika azy izy. Eny tokoa, niteny azy izy nanao hoe : “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro ….” (1 Samoela 17:45).
Azonao an-tsaina ve ny herim-po sy ny fahavononana nataony tao anatin’ireo teniny ireo ? Waouh !
Tiako ny fomba, izay nataon’i Jesosy nitenenany mafy ny tafiotra, fony Izy tao anaty sambokely niaraka tamin’ireo mpianany, manao hoe : “Mangina, mitsahara.” (Marka 4:39). Niatrika mivantana ny haizina izay niafina tao ambadiky ny toetr’andro Jesosy, ary nibaiko ny rano mba hitsahatra. Ary izay tokoa no zava-niseho !
Mety hisy tafiotra ihany koa eo amin’ny fiainanao izay mitady hampatahotra anao, na amin’ny alalan’ny olona izany, na aretina, na tahotra, na tsy fandriam-pahalemana … Kanefa anio, mijoro tsara eo amin’Andriamanitra, ary miaraka amin’izany fahatokiana izany, baikoy ireo mba hangina, amin’ny anaran’i Jesosy.
Ary ny fomba tsara indrindra anaovana izany, dia ny mampifanandrina ireny lainga ireny amin’ny teny fampanantenana sy izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra.
Ry namako, miaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, dia fotoana izao hiatrehana ny lainga sy ny haizina izay nampitahotra anao ! Anio no andro izay tokony hijoronao sy hanambaranao ny teny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.