🛡 Ny Tompo no miady ho anao
Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa fa tsy misy mandeha ny zava-drehetra?
Matetika aho no niaina fotoana izay nahatsapako ara-bakiteny ny atao hoe teo afovoan’ny ady.
Nandritra ny vanim-potoana maromaro teo amin’ny fiainako dia niaina toe-javatra feno tsy fifankahazoan-kevitra aho, fanakianana ary fifandirana teo amin’ny manodidina ahy… ary, nahatsapa-tena aho fa tsy mendrika, sy tsy tonga lafatra.
Nandritra ireo toe-javatra ireo, ny tena nanampy ahy indrindra dia ny fahitana ny fomban’Andriamanitra niaraka tamiko hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra.
Na tamin’ny fotoana nivavahako tamin’Andriamanitra na tamin’ny zava-madinika teo amin’ny fiainana andavanandro, dia afaka nahita ny valin-teniny aho. Toy ny hoe nandefa teny kely tamiko Izy mba hilaza amiko hoe : “Anaka, eto aho, tsy nandao anao, tohizo!”
Nanatanjaka ny finoako izany, nitarika ahy tamin’ny fandresena kely, avy eo tamin’ny fandresena lehibe kokoa, ary indrindra tamin’ny fiovana teo amin’ny fiainako.
Mitantara ny tantaran’i Elisa ny Baiboly, sy ny fomba nodidinan’ny fahavalo azy mba hisambotra azy. Ary rehefa natahotra ho faty ny mpanompony, dia hoy Elisa taminy: “aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” ( 2 Mpanjaka 6.16 ) Nanomboka tamin’izay, dia hitany tao amin’ny fanahy ny tafika any an-danitra izay nanenika ny havoana sy tonga mba hiaro azy ireo.
Ry namako, mety ho kivy ianao androany ka te hitaraina sy hanome tsiny an’Andriamanitra fotsiny ny manjo anao… nefa aza manao izany ! Aza miady amin’Ilay miady ho anao!
Miaraha Aminy amin’io ady io, ary “miadia ny ady tsaran’ny finoana”. (1 Timoty 6.12) Sarobidy Aminy tokoa ianao ka miady ho anao Izy, miaraka amin’ireo tafiny tsara indrindra any an-danitra.
Anio, hatanjaho ny finoanao, mitsangĂ na ary mandrese! Fantatro fa vitanao izany.