🛡️Inona no Gôliatanao ?
Azoko antoka fa efa niatrika toe-javatra tena sarotra ianao tamin’ny fotoana sasany teo amin’ny fiainanao ka niteny tamin’ny tenanao hoe « Davida manoloana an’i Gôliata ity ». Eny, ny tantaran’i Davida sy Gôliata tokoa no nampalaza fatratra an’i Davida mpanjaka.
Nampitahotra ny Israelita sy ny lehilahy mahery rehetra teo amin’ny Israely i Goliata, lehiben’ny miaramilan’ny Filistinina. Tsy nisy nahasahy nifanandrina taminy ary tsy mahagaga izany satria raha ny fijerin’ny olombelona dia fahadalana tanteraka ny fieritreretana hiady amin’olona toa azy.
Kanefa, rehefa nahita ny zava-nitranga i Davida dia feno fahatezerana sy herim-po ka nanolo-tena hifanandrina amin’i Gôliata. Nihevitra ny rehetra fa tsy nanam-bintana enti-manohitra an’i Gôliata izay goavana be i Davida, saingy ny zavatra tsy fantatr’izy ireo dia ny herim-po efa nasehon’ity farany fahiny tamin’ny andraikiny amin’ny maha mpiandry ondry azy.
Izao no navaliny an’i Saoly mpanjaka : “Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak’ondry teo amin’ny ondry,dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin’ny somony, ary nasiako ka matiko “ (I Samoela 14:34,35).
Ary ianao, afaka ny hiady amin’ny bera sy ny liona ve ianao ? Mpiandry ondry tsara I Davida, ary mba hiarovana ny ondriny dia tsy natahotra na inona na inona, na iza na iza izy. Tsy fantany akory fa raha ny marina dia efa nanomana azy sahady Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo toe-javatra ireo mba hahafahany mandresy an’I Gôliata indray andro any.
Ry namako, aza manaiky ampitahorin’inoninona ! Ny haizina dia te hameno tahotra anao, fa Andriamanitra tsy nanome anao “fanahy osa , fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena” (2 Timoty 1:7). Anio, fantaro ny zavatra rehetra mampatahotra anao ary manomboha mandroso amin’ny alalan’ny fanaovana dingana kely feno herim-po, izay hitarika anao tsikelikely hamantatra ny fomba fiatrehana sy fanoherana ny ratsy eo amin’ny fiainanao sy ny manodidina anao.
Te hampiasa anao hanafaka olom-boafatotra maro Andriamanitra !
Fahagagana ianao !