🚼 Eo i Dada !
Inona no mitondra fifaliana lehibe ho anao eo amin’ny fiainanao andavanandro ?
Isan’ireo zavatra mahatonga ny tontolo androko ho finaritra kokoa ny tsikin’ny zanako. Fony izy vao roa volana monja dia mazà na no nakariny taty amiko ireo masokeliny mba hijery ahy. Nitabataba kely mihitsy aza izy indraindray mba hisarihana ny saiko. Tsy rehefa te horaisiko ihany izy vao niantso ahy fa rehefa noana ihany koa, na rehefa nila nosoloina. Ary amin’ireny fotoana ireny dia nihiaka mafy aoka izany izy ka naheno azy avokoa ny manodidina !
Manambara ny Baiboly « fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana isika, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray Ă´ ! » (Romana 8:15). Amin’ny hebreo, ny teny hoe « Aba » dia midika hoe « Dada ». Toy ny rehefa miantso ny rainy ny ankizy kely. Nataon’Andriamanitra ho Zanany isika, ary izany indrindra no tiany : mba hanatona Azy toy ny Zanaka malalany isika.
Mariho ny fomba ilazan’ity andian-tsoratra ity izany : mitaraina ny tenantsika. Tsy ilay isika miantso Azy hoe “Dada” fotsiny ihany, fa ny amintsika manontolo mitaraina ao anatintsika lalina. Ndao hihiaka am-pifaliana fa te hiara-hitoetra Aminy sy hahafantatra Azy misimisy kokoa ! Amin’ny fotoana sasany, aoka isika hanandratra fitarainana lalina amin’Andriamanitra rehefa anaty toe-javatra sarotra ka mila Azy hamonjy antsika. Ny zava-tsarobidy dia ny hoe amin’ireo tranga roa ireo, dia mihaino antsika Izy ary mamaly antsika.
Aza adino ny maka minitra vitsivitsy iarahana amin’ny Rainao any an-danitra anio. Hivavaka isika : “Ray o, Dada o, misaotra Anao mitia ahy, mihaino ahy, mamaly rehefa miantso Anao aho ary mampionona ahy rehefa mila Anao aho ! Ampio aho hanatona Anao hatrany amim-patokiana, toy ny zaza madinika, ary hamela ny tenako ho feno fiadanana sy fifaliana eo amin’ny Fanatrehanao. Amin’ny Anaran’I Jesosy. Amen !”
Mifalia amin’ny Fanatrehany androany ry namako.